airtel

Finoana

08-juin-2022

Finoana

Radio Fanambarana Trano rihana 4 no tsangambaton’ny faha-25 taona

Sample post image

Feno 25 taona katroka tamin’ity taona 2022 ity ny Radio Fanambarana na ny RFA, radio ara-pilazantsara anisan’ny manana ny toerany eto amintsika.

08-juin-2022

Ny taona 1987 izy no niorina voalohany ka ankoatra ny fitoriana ny filazantsara dia mandray anjara mavitrika amin’ny fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety ihany koa izy ireo. Mpanao gazety maro no efa nivoaka tato aminay hoy Raphanoel Andriambolanoro Harinivo, talen’ny RFA. Anisan’ny mampiavaka azy ireo mantsy raha araka ny fanazavany ny fanomezany fiofanana ireo mpiasa ao aminy, tsy nitadiavany tolo-tanana avy any ivelany. Anisan’izany ireo mpamokatra fandaharana. Eo koa ny teknisiana ankoatra ireo mpanentana sy mpanao gazety. Vavaka lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fankalazana tetsy Antsahamanitra ny faran’ny herinandro teo izay haharitra herintaona. Trano lehibe vaovao sady manara-penitra natokana ho an’ny RFA ahitana rihina 4 no tsangambaton’ity faha-25 taona niorenan’ny RFA ity. Raha tsiahivina dia efa naseho ho hitan’ny rehetra tamin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara tamin’ny 11 septambra taona 2021 lasa teo ny maketin’ity trano vaovaon’ny RFA ity izay naorina eny Ankaditapaka Atsimondrova.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap