airtel

Finoana

02-juil-2026

Randrianarivo Njaka

Nahavita be teo anivon’ny FJKM sy ny Radio Fahazavana

Sample post image

46 taona nanaovana asa fanompoana

02-juil-2026

teo anivoan’ny fiangonana FJKM, 25 taona nanaovana asa fanompona teo anivoan’ny Radio Fahazavana i Randrianarivo Njaka. Noho izany asa vitany izany dia nankasitraka sy nisaotra azy ny fiangonana ny faha 20 jona lasa teo nandritra ny fotoaam-pivavahana ho fisaorana azy izay natao tao amin’ny FJKM Avaratra Andohalo. Izay voasoratra tao amin’ny korintiana voalohany 15 : 10 « Fa ny fahasoavan’andriamanitra no niara niasa tamiko .» no teny filamatra noraisiny nandritra izany. Fa nandritra izany fotoana izany ihany koa no namoahany ny boky mitondra ny lohateny hoe «Fisaorana » izay niraketany ireo tantara sy zava-bitany nandritra io 46 taona nanombohany io. Marihana fa mpanao gazety tao amin’ny Radio Fahazavana i Randrianarivo Njaka nandritra ny 25 taona niasany tao. Nanditra ny fandraisam-pitenenany no nilazany, fa tena tiny ny asany matoa izy naharitra izany taona maro izany. Tamin’ny fanombohany niasa tao amin’ny onjam-peo Fahazavana voalohany no nilazany fa fivelomana no noraisiny tao fa tsy karama. Isan’ny nanentanana ireo mpiasa ihany koa ny fitadiavana mpiara-miasa sy mpamatsy vola mba ahafahana mampandeha ny onjampeo ka nilaza mazava i Njaka Randrianarivo fa isan’ny nitady famatsiana betsaka hoan’ny Radio ihany koa ny tenany. Tonga nanotrona azy nandritra io fotoana io moa ireo mpanao gazety namany, ny mpiara-miasa ao amin’ny Radio fahazavana ary nandefa solotena ihany koa ny filohan’ny FJKM.
Solotiana
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

9 volana eo izay no nitsanganan’ity

Card image cap