airtel

Finoana

02-févr-2024

Sampana sekoly alahady FJKM Ambodihady

Hanatanteraka vokatra mandritra ny iray volana

Sample post image

Hanatanteraka vokatra ny sampana sekoly Alahady eo anivon’ny

02-févr-2024

fiangonana FJKM Ambodihady vaovao Ambohimanarina Synodam-paritany Antananarivo Andrefana mandritra ity volana Febroary ity. Araka ny nambaran' ny Filohany dia amin’ny Alahady 04 febroary ho avy izao hanokafana izany ka hosantarina amin’ny rindrankira fiderana miaraka amin'ny SLKM MORIA Lapan'ny Ray sy ny STK Ambodihady manomboka amin’ny 04 ora hariva. Hisy ihany koa ny valopy hozaraina ho fandraisana anjara amin'izany. Hira ahafantarana ny SLKM MORIA moa raha tsiahivina ny hoe : "fanekena, areheto ny jiro".H an' ny STK Ambodihady kosa dia ny hoe : "azo antoka, resy lahatra". Ny alahady 11 febroary kosa no hatantosana ny 12 trano hiarahana amin' ireo firaisan' ny FJKM Ambohimanarina. Ny Alatsinainy 12 hatramin'ny zoma 17 no hanaovana ny "herinandron' ny fianakaviana" miaraka amin'ny Mpitandrina Raveloson Mamy. Ny Sabotsy 18 Janoary "no hatao ny tafika Masina. Ny Alahady 25 febroary kosa no hofaranana izany ka hitondra ny tenin' Andriamanitra ny maraina ny Mpitandrina Rakotoarivelo Andriamanantena, Komity foibe ny Sampana Sekoly Alahady ary ny hariva kosa dia hisy ny hira fiderana miaraka amin'ny Sekoly Alahady Mihira Ambodihady (S.A.MI.A).
Pati
Legende : Ireo biraon’ ny Sampana Sekoly Alahady Ambodihady vaovao hikarakara ny hetsika!
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Niendrika safosafo miaro felaka ihany no nitondran’ny Fivondronamben’ny Eveka ilay fomba fijeriny

Card image cap
15-mai-2024

Notsipihin’ny Fivondronamben’ny Eveka fa sakana iray lehibe amin’ny

Card image cap