airtel

Finoana

08-janv-2024

Taona 2024- Pastera Mailhol

« Hisy korontana politika, ho mafy ny loza voajanahary »

Sample post image

Namoaka ny faminaniany mikasika izay zavatra mety hitranga eto amin’ny

08-janv-2024

firenentsika sy manerana izao tontolo izao mihitsy Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny Fikambanana Apokalipsy Maneran-tany omaly. Nambarany tamin’izany fa hisy korontana politika manerantany fa izay firenena mahavoafehy izany ihany no hahita vahaolana. Noresahiny manokana ohatra ny any Canada, Afrika, Allemagne, Espagne, Belgique… Hisy ny filaharam-be sy fidinana an-dalambe ho ataon’ny vahoaka hoy izy raha tsy latsa-danja amin’izany ny fanonganam-panjakana izay mbola hisy tranga maromaro. Toraka izany koa ny eto Madagasikara hoy hatrany Pastera Mailhol. Nambarany ihany koa fa hitontongana ny lafiny ara-toerana ho an’ny firenena maro maneran-tany raha ho mafy be ny loza voajanahary. Ho an’ity farany manokana dia nambarany fa vokatry ny fahotana manaka-danitra no antony mahatonga izany ka izay firenena mivavaka sy mahatoky an’Andriamanitra ihany no ho afaka ao anatin’izany. Mikasika ny adin’i Israely sy ny Hamas dia nomarihiny fa hiitatra any amin’ny tany Arabo izany….Tsy adinony nandritra izany ny niresaka ny lafiny ara-politika. Mikasika ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny governemanta manokana dia notsindriany fa raha izy no mpitondra ny firenena dia alany amin’ny toerany no sady hosaziany izay ministra tsy mahavita ny asany. Raha mety hoy izy dia hiaraha-miasa amin’ny mpanohitra mihitsy ny fanaraha-maso azy ireny mba hahafantarana ireo tena miasa marina. Firenena tena tokony handroso i Madagasikara hoy izy saingy ny indro kely dia ilay resaka fanatisme. Tokony samy hiala anaty fankahalana hoy izy na ny mpitondra na ny mpanohitra ka ho an’ireto farany raha misy zavatra tsy mety dia miteny am-pahatsorana hahafahana manatsara zavatra raha tsy manao mpanara-drenirano fotsiny ihany koa ny ao anatin’ny fitondrana ka mijery fotsiny na efa misy zavatra tsy mety hitany aza.
Pati
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Notsipihin’ny Fivondronamben’ny Eveka fa sakana iray lehibe amin’ny

Card image cap