Tanterahina nanomboka omaly Alatsinainy 10 Aogositra eny amin'ny trano fivavahana Vahao oloko eny amin'ny By pass ny zaikaben'ity Fiangonana zandriny iray ity haharitra 3 andro. Solontenam-piangonana, antoko mpihira, mpitondra am-bavaka ny Fiangonana, diakona, mpiandry, loholona ary Pastera marobe no miara-mandray anjara amin'izany manovo fahalalana sy traikefa hahafahana mampandroso tsy miato ny asan'Andriamanitra. Manao tatitra ny asa vitany tao anatin'ny 12 volana ihany koa izy ireo , hetsika efa fanaon'ny Fiangonana isan-taona, hofaranana amin'ny croisade lehibe hotontosaina eny amin'ny Coliseum Antsonjombe amin'ny Sabotsy 15 Aogositra ho avy izao. Nambaran'ny Pastera Tovonarivo Tremarivony, Filoha lefitra eo anivon'ny trano fivavahana Vahao ny oloko fa tsy maintsy hofanina sy ampiana ireo mpanompon'Andriamanitra manoloana ny asa sahaniny amin'ny fitaizana ny ondry. Misy ireo lany bala ho izy ka tsy maintsy tohanana. Misy ireo tokony hafindra toerana ihany koa na mila namana hafa mba hahafahana mandroso bebe kokoa.... Hofaranana amin'ny fanosorana ireo mpanompon'Andriamanitra ny hetsika amin'ny Alahady 16 Aogositra ho avy izao. Tsiahivina fa tamin'ny taona 2023 no niorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Miisa 2300 ankehitriny ny isan'ny Fiangonana izay efa miparitaka manerana ny Faritra 24. Ahitana mpino 50 ka hatramin'ny 1.000 isa ny isam-piangonana.
Pati
Légende : Izy no Pastera Tovonarivo Tremarivony, Filoha lefitry eo anivon'ny Fiangonana Vahao ny oloko !