airtel

Finoana

28-nov-2025

TSY NATSANGAN-JAVATRA

MIHITSY NANDRITRA NY TAONA

Sample post image

Hisy vavaka ho azy ireny etsy

28-nov-2025

amin'ny tranom-pokonolona Isotry
Fotoana fandinihin-tena mikasika ny zava-bita nandritra ny taona ny volana Novambra tahaka izao. Tsy vitsy ireo nametraka tanjona na nikasa hanao zavatrabe nefa tsy nahavita noho ny antony maro. Ho azy ireny indrindra no antom-pisian'ilay fotoam-pivavahana lehibe karakarain'ny Trano fivavahana Vahao ny Oloko etsy amin'ny tranom-pokonolona Isotry ny Alatsinainy 01 Desambra ho avy izao manomboka amin'ny 06 ora maraina. Nambaran'ny Pastera Heritiana Randriarimalala fa vavaka fanafahana mihitsy no hatao amin'io. Hisy ihany koa ny fampianarana omena ho fampaherezana ny mpino ka hanokafan'Andriamanitra ny sainy hahafahany mamantatra ny tena sitrapon'Andriamanitra. Nomarihin'ny Pastera moa fa afaka manatrika izany avokoa ny mpino rehetra hiatrehany amim-pinoana sy amim-pitoniana ny fetin'ny faran'ny taona sy ny taona vaovao.
Pati
Légende : Hivavaka ho an'ireo rehetra ho avy Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Dans la même rubrique