Hanao hetsika fahatsiarovana ity andrarezina iraisampirenena teo amin’izany mozika izany ity, araka izany, ry Mandresy JBoys sy ny ekipany. Mandresy JBoys moa na Ratiaholison Mendrika Ny Mandresy dia ilay tovolahy malagasy 28 taona mahavita maka tahaka tanteraka ity mpanjakan’ny Pop ity na eo amin’ny lafiny feo izany na eo amin’ny fomba fihirana hatramin’ny fandihy. «Legend never dies» na hoe tsy maty mandrakizay ny andrarezina moa no teny filamatr’ity tovolahy ity sy nambarany fa antony goavana manosika hamelo-maso hatrany ny kanto rehetra navelan’izany Michael Jackson izany.
J. Mirija
Homarihina sy hankalazaina mandritra ity volana Jona ity ny iray volan'ny ankizy.
Tontosa omaly 2 jona 2025 tetsy amin’ny Akademia Malagasy ny lanonam-panokafana
Volana maro niandrasana ny fihaonana sy ny mety hazahoana ny «autorisation»