Nifanandrina ny ekipan’i Zany sy ny ekipan’Atoa Botomanovatsara noho ny fiadiana seza hahazo ny toeran’ny mpanjaka. Voalaza fa vita afak’omaly ny fankasitrana an'Atoa Zany ho mpanjaka tany Ivato, ary nomarihina fa tsy tokony mbola ho Mpanjakana Atoa Botomanovatsara Minisitra sy loholona teo aloha, raha ny fitantarana. Voalaza nihantsy, nanao fety anefa ny tarik’Atoa Botomanovatsara omaly fa tsy maintsy izy no mpanjaka, ka noheverin'ny ekipan'i Zany ho fihantsiana izany, hoy ny fanazavan’ny andaniny. Olona marobe miaraka tamin’ny antsy, vato, kibay no tonga teo antokotanin'i Botomanovatsara. Raikitra ny sakoroka, nopotehin'ny olona ny trano sy ny fananany. Tetsy ankilany, lehilahy iray no voalaza fa voatifitra ka naratra izy sy ny zanany lahy izay ben'ny tanàna Ankarimbary ihany ary novonjeena haingana natao “evacuation” any amin’ny hoptalin’i Manakara rehefa tonga ny zandary avy amin’ny Groupement Manakara. Nisy tamin’ny zandary no naratra voatora-bato. Nisy ny naratra tamin’ny andaniny sy ankilany. Nandefa mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra nataon'ny zandary nandritran'ny famoahana azy ireo. Miaina anatin'ny horohoro tanteraka ny vahoakan’i Vohibolo noho ny tsindry hazolena sy fanararaotam-pahefana izay mihatra amin’izy ireo sy ny mety ho tohin'ity raharaha ity, hoy ny fanamarihana, izay niantso ny Fitondram-panjakana isan'ambaratongany isany mba hijery akaiky izao trangam-piarahamonina izao fa efa hatramin'ny volana febroary lasa teo no nisian'izao tranga fampihorohoroana, fakana ankeriny fanan'olona, fanararaotam-pahefana fandrahonana ny aian'ireo olona izay mitady hanohitra izay lazaina sy tsy mitovy hevitra amin’ireo sokajiany ho mpisetrasetra. Andrasana ny tena fanazavana ofisialy sy ny fivoaran'ny raharaha fa raha ny re omaly tolakandro dia efa tonitony.
Toky R
Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.
Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990
Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.
Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.