izao ao amin’ny CCESCA Antanimena. Hetsika ho fanohanana ny asa ataon’ny fikambanan’ny zanaka am-pielezan’ny FJKM Ambohibe Ilafy Fitahiana io, hoy ny fampitam-baovao voaray. Hiaka-tsehatra indray, araka izany, ny tarika ka ireo karazan-kira nentina nandravaka ny piesy teatraly tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha 20 momba ny reny, ny fihavanana, firaisankina, fifankatiavana ary ny fitiavan'olon-droa amin'ny endriny rehetra no hita mandritra io fotoana io. Hiantsa ny sanganasan’ireo mpamoron-kira tranainy efa kalaza ny tarika. Tsy ambakan’izany koa izay tena mampisongadina ny tarika dia ny hira rodobe misy beso maredona miaraka amin’ny mpisehatra am-polony sy ny rodokely ataon’ny mpihira vitsy ary indrindra koa ny rodobe an-dehilahy fotsiny toy ny “He! Diavolana” na rodobe am-behivavy fotsiny toy ny “Andeha hanasa lamba”, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija