airtel

kolontsaina

10-oct-2022

kolontsaina

AmbondronA Tena mbola henjana 20 taona aty aoriana

Sample post image

Ny ngeza ngeza eny foana raha ny tarika Ambondrona no resahana. Mbola mipetraka ny maha tarika goavana sy matanjaka an-dry AmbondronA ao anatin'izao fankalazana ny faha 20 taonan'ny tarika izao.

10-oct-2022

Ny mpankafy no mitady an’Ambondrona fa tsy Ambondrona no mitady olona hameno mpijery satria tsy ilaina intsony ny miteny hoe "guichet fermé", efa tamin'ny 30 septambra 2022 mantsy no efa lany ny tapakila fidirana ho an’ny seho goavana tetsy amin’ny Lapan'ny Fatanjahan-tena Mahamasina (Palais des Sports Mahamasina) omaly 09 oktobra 2022. Raha vao 45 minitra monja izay no nanombohan'ny fampisehoana dia hita sahady fa tena mbola ao am-pon'ireo mpijery sy mpankafy azy ny tarika; tsy tafapetraka ny mpijery fa tena milomano tanteraka ao anaty hafaliana sy fahafinaretana ary fankafizana lalina,… Fampisehoana raitra hatrany na tamin’ny fikarakarana, ny zava-maneno, ny seho an-tsehatra, hazavana, fandaminana,… Vaky vava ny rehetra fa tena tsara sy kanto hatrany ny fampisehoana omaly, nafana ny ambiansy,… Niara-nivazo sy niredona iro hira malaza ny Tarika sy ny mpankafy, tsy misy banga eo amin'ny sofina sy lelan'ny mpankafy azy ireo hira nahafantarana azy hatramin'izay ka hatramin'izao. “Nafana be ny fampisehoana, ary dia tena matsiro tanteraka ny "feeling" 20 taona ato”, hoy ny mpankafy. Nisy ny fanamarihana fa niara-nilalao teo amin'ilay faritr'ambondrona antsoina hoe "Ambavahadimbiby" moa ireto mpikambana ao amin'ny tarika ka izany no antony nanaovana ny anaran'ilay tarika antsoina hoe "AmbondronA", mbola avy amin'io faritra Ambavambiby io ihany koa no nahatonga ny sary famantarana (logo) natao sarina vavam-biby misokatra (Liona misoka-bava). Mbola mitoetra ary heverina fa hitoetra hatrany sy tsy ho lefy laza izany ny tarika Ambondrona izany eto Madagasikara, eny fa na hatrany ampitan-dranomasina aza. Tsy lany manja tahaka ny mozika sy ny artista sasany, toa betsaka no sary indray mipika sy tahaka ny afo-mololo ankehitriny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap