Fanazavana izay zavatra efa tapaky ny fitondrana sy ny ministera no natao taminay, hoy izy. Sarotra aminay ny hanome izany tsodrano nangatahin'izy ireo izany. Amin'ny fomba ahoana no hanomezana tsodrano zavatra tsy fantatrao akory ny votoatiny no tsy nisy akory fifampidinihana, eny fa na dia fanazavana aza tsy nisy. Na ny fomba natao teny amin'ny rova aza dia tsy nisy olona fantatray akory ireo nanatrika teny. Tsara noho izany ny manitsy fa tsy nisy na iray aza tato amin'ny Antenimieran'ny Andriana Merina izay tarihin'ny Profesora Ranjeva ny fanatrehana nisy teny. Ka noho izany disoinay ny filazana fa nanome tsodrano izahay ary ampahafantarinay ihany koa fa tsy tompon'antoka amin'izay zavatra mety hitranga ao anatirova hatrany am-piandohana ka hatramin'izao ny eto anivon'ny Antenimieran'ny Andriana Merina na ny AAM, hoy hatrany tenany.
J. Mirija
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady