manoloana ny ady amin’ny fahantrana eto amintsika. Fomba fitenin’ny mpanao politika ankehitriny hoy izy ny hoe : Vonona nefa tsy vanona na Vanona nefa tsy vonona saingy ny fampandrosoana vanona sady vonona hoy Randrianary Jose dia avy amin’ny tany . Ny fambolena no vahaolana ialana amin’ny fahantrana. Nasehon’izy ireo niharihary izany tamin’ny faran’ny herinandro teo. Niakatra ny vokatry ny tany avy any Ankazobe. Hamatsiana ny mponina eto an-drenivohitra avokoa izy ireo ka nisy ny santa-bary notanterahina tetsy amin’ny Boriborintany fahaefatra, niarahan’ity antoko ity tamin’ny solombavambahoaka Rossy.Fantatra tamin’izany fa mahavita 7 taonina isaky ny hekitara ireo tantsaha any an-toerana amin’izao, amin’izany famokaram-bary izany. Nisaotra ny solombavambahoaka Rossy ny antoko Fanorolahy nanoloana izany izay sady nahavanona no nahavokatra. Tsiahivina moa fa miezaka hatrany ity antoko ity manosika sy manampy ireo tantsaha mpamokatra eny ambanivolo hahafahana miady amin’ny fidangan’ny vidim-bary sy ny tsy fahampian-tsakafo misy eto amintsika.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Antoko Fanorolahy !