ny antoko mpihira Taratry ny mazava, hoy ny mpitarika azy ireo, Ralaiarimanana, amin’ny voka-dehiben’ny Taratry ny mazava ny 21 aprily hoavy izao ho atao eny avaratry ny Gamo Ampasapito. Alahady faha 3 io, hoy izy. Hisy ny fampisehoana an-kira izay hanentanana ny taranaka Ambohidanierana tsy an-kanavaka. Ny antony hanaovana azy eny Soavimbahoaka amin’io alahady io dia mba ahitan’ny rehetra ny hiran’izany Taratry ny mazava izany. Isan-taona dia misy vidim-pidirana nefa betsaka ireo mba te hijery. Antsoina daholo amin’ity ny mpiara-mivavaka, ny mpiray tanindrazana fa maimaipoana io fampisehoana io. Mila fanomanana nefa ary mety ho lavalava kely ny fotoana ka misy ny sakafo izay karakaraina eny an-toerana sy amidy amin’ny vidiny mirary. Ny vola azo moa dia hanitarana ny fitoriana ny filazantsara ataon’ireo tanora. Ho amidy eny an-toerana ny vokatra farany izay mbola rakipeo aloha dia ny rakipeo faha 6 an’ny antoko mpihira, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady