airtel

kolontsaina

09-juin-2022

kolontsaina

Arendrina vita malagasy Matin’ny vita sinoa ny tsena

Sample post image

Roa herinandro eo ho eo sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona isika. Ankoatra ny fihinanana sakafo miavaka amin’ny mahazatra dia tsy afa-misaraka amin’ny fetin’ny Asaramanitra ny

09-juin-2022

fitondrana arendrina. Velon-taraina sahady anefa ny ankamaroan’ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy noho ny havitsian’ny mpanjifa tonga mividy eo amin’izy ireo. Tena matin’ny arendrina vita Sinoa ny tsenanay hoy hatrany izy ireo indrindra fa ny laser. Raha araka ny fanazavany anefa dia 1.000 Ar dia efa mahazo arendrina iray vita gasy tsara tarehy tsy misy mpividy nefa 50.000 Ar ny laser iray, sahin’ireo Ray aman-dReny sasany vidiana na dia sarotra aza ny fiainana. Toraka izany koa ireo karazana basy kely misy karazana balonina mivoaka, ireo saribakoly mirehitra, ny sabatra mirehitra… izay samy mandeha vatoaratra avokoa. Tsy azo hianteherana intsony araka izany ny asa fivarotana arendrina vita Malagasy ho an’ireo tena mivelona amin’izany. Ireo any ambanivohitrabe sisa no tena manjifa azy ireny hoy hatrany ny fanazavana azo fa ny eto an-drenivohitra dia efa saika mianoka amin’ny arendrina vita Sinoa avokoa ny zanany. Mariky ny fitiavan-tanindrazana no sady fanandratana ny vita Malagasy anefa ny fanjifana ireny arendrina vita Malagasy ka tsy tokony hatao tsinontsinona na dia eo aza ny fandrosoana.
Pati
Legende : Misy mahasahy mividy laser hatrany amin’ny 50.000 Ar ny Ray aman-dReny !

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Nanomboka omaly Alatsinainy 06 May maraina ny asa fanamboarana ny Village Artisanal

Card image cap
07-mai-2024

Ho tafaraka indray ao amin’ny Valahara café Antsirabe Ifanihy sy Tselonina ny alin’ny 31 may izao.

Card image cap