airtel

kolontsaina

28-mai-2026

ASSOCIATION MUSULMANE

AHMADYYA-EID AL ADHA

Sample post image

Nizara hena ho an'olona 6000 isa

28-mai-2026

Nizara hen'omby ho an'olona 6000 isa nanomboka omaly Alarobia 27 May ny Association Musulmane Ahmaddya de Madagascar etsy Andavamamba. Omby miisa 51 no novonoina. Mandritra ny 3 andro no hanatanterahany izany ho an'ireo mpiara-monina aminy, hetsika tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny fetin'ny Eid Al Adha izay marihin'ireo mpino Slamo isan-taona. Raha tsiahivina kely ny Eid Al Adha dia fety iray hahatsiarivan'ireo mpino Slamo ny nanaovan'i Abrahama sorona ny zanany lahy Ismaëla, zanany tamin'i Agara. Rehefa nahita ny halalin'izany finoana nananan'i Abrahama izany Andriamanitra dia nangataka ny hanoloana ilay sorona ho ondry. Mbola tohizan'ireo mpino Slamo mandraka androany io fanaovana sorona io saingy tsy maintsy ondry na omby tsy misy kilema toy ny poaka maso ohatra. Hfampizarain'izy ireo amin'ireo mpiara-belona aminy izany ka ho an'ity fikambanana iray ity dia ao anatin'ilay teny filamatra hoe : Fitiavana ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza no hanaovany izany. Tao anatin'ny hafaliana no nandraisan'ireo mponina etsy Andavamamba io fanampiana io izay arahin'ny famonoana ondry miisa 200 anio Alakamisy. Tsy hanavahana finoana na saranga izany.
Pati

Légende : Nandritra ny fizarana ny hena !
 

Dans la même rubrique