airtel

kolontsaina

23-août-2022

kolontsaina

Avoko production Vita ny fanodinana sarimihetsika tany Dubai

Sample post image

Tafaverina teto an-tanindrazana ny faran'ny herinandro teo ny ekipan'ny Avoko production rehefa nanao fanodinana sarimihetsika nandritry ny tapabolana tany Dubai.

23-août-2022

Mbola tafiditra ao anatin'ny famaranana ny fankalazana ny faha20 taona an'ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity izany ezaka lehibe izany. Na Dia tao anaty hafanana tanteraka aza tany an-toerana dia vita soa aman-tsara ihany ny fanodinana ka tao an-tananan'i Dubaï Mall, Al Rigga street, Désert de Safari no nanatanterahana izany, raha ny fampitam-baovao hatrany. Vokatra izay ho hitan'ny mpankafy ao amin'ny Canal plus NOVEGASY moa izao nahodina tany Dubaï izao ary nanaovan'ny ekipan'ny Avoko production andrana ihany koa eo amin'ny fanatsarana sy fanomezana fahafaham-po ho an'ny mpanjifa. Maro be ny vokatra efa miandry sy ny vao an-dalam-panodinana satria ny tanjon'ity trano mpamokatra sarimihetsika malagasy ity ny hahatonga ny sarimihetsika ho indostria mihitsy eto Madagasikara. Ankoatran'ny mpitantana ny orinasa dia ireo mpilalao ao amin'ny Avoko production izay efa matihanina no nanodina ny sarimihetsika tany an-toerana. Hanavao sy hanatsara ny fitaovana indray no dingana manaraka satria dia voaporofo fa vahoaka malagasy an-tapitrisany no manaraka tsy tapaka isan'andro ny vokatra atolotr'izy ireo ka rariny, hoy hatrany i Avoko, izay mpitantana ny orinasa raha hatsaraina hatrany ny kalitao atolotra azy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap