hoy ny tenin’ny soratra masina ao amin’ny Baiboly izay voasoratra ao amin’ny Salamo 71:14 izay mahatonga fifaliana ho anay Azaria Groupe Artistique manasa anareo hanotrona ny kaonseritra "Mendrika azy ny fiderana", hoy ity antoko mpihira ity. Ho tontosaina ny alahady 25 septambra 2022, amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny FJKM Ifarihy Famonjena izany, hoy izy ireo. Hiaraka hidera sy hanome voninahitra an'Andriamanitra isika. Tsy misy vidim-pidirana fa valopy no ho zaraina ho fanohanana ny asan'Andriamanitra. Isan’ny mampiavaka ny seho ny fampiasana ny Orga antsoina hoe Diamondra izay vita malagasy sy zava-maneno hafa marobe ihany koa izay hiangalian’ireo mpitendry matihanina toa an-dry Hent’s, Josia, Homentsoa, Njakaniriana, Sonn, Titi, Rojo. Hampiara-peo amin’izy ireo ihany koa moa ny mpanakanto Bodo, hoy hatrany ny fanentanana.
J. Mirija
Maro amin’ireo manori-tokantrano amin’ny alalan’ny fanambadiana ankehitriny
Nihaona tamin'ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga ireo ekipa mandrafitra