airtel

kolontsaina

24-avril-2023

kolontsaina

Betafo Nitorajofo niaraka tamin’AmbondronA

Sample post image

Betsaka ihany izay mpanakanto nandalo tao Betafo izay fa tsy nisy ohatra ny fampisehoana nataon'ny tarika

24-avril-2023

Ambondrona tao an-tokotanin'ny Oratorio Betafo omaly izay.Feno hipoka ny kianja ary vahoaka eo 2500 eo ho eo raha ny tapakila lafo saingy mihoatra raha ny fibosesehana hiditra izay nefa vao mitaotao vovonana ny andro ary amin'ny 2 ora no fanombohana. Ny tena nampitolagaga dia tsy nisy hira na iray aza ka tsy noredonin'ireo mpijery marobe Ajanony any, Tontolo faharoa sy ireo hira nampalaza ny tarika dia nataony avokoa satria tsapany fa mankafy ireo mpijery. Ary angaha vitan'izany fa ireo T shirt AmbondronA Arabé namidy teny Analakely aza mbola nifandrombahana. Mafy izy e! Ny olona tonga hifaly rahateo na dia tsy mora aza ny vidim-pidirana satria 4000 arivo ariary mitovy amin'ny karama sarakatsaka iray aty. Fa tsy nanakana ny olona ho avy satria ankoatry ny fampisehoana dia feno trano heva misy sakafo sy zava-pisotro tao amin'ny Oratorio.I Rakiks rahateo efa niventy ilay hira hoe "Na dia sarotra aza".Zary lasa fandalovan'ny mpanakanto i Betafo satria tonga foana ny olona I Elidiot izao izao izay ho avy amin’ny sabotsy tena faly na dia "Lasan'ny Vazaha" aza ny vadiny.
(Sary nindramina)
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Araka ny rafitra iraisam-pirenena momba ny tantara an-tsehatra na teatra dia isaky ny 27 martsa

Card image cap
27-mars-2024

Hafotaka ny fankalazana ny fetin’ny Paska amin’ity taona 2024 ity ho an’ny ao Antsirabe,

Card image cap