airtel

kolontsaina

29-janv-2026

BLACK NADIA, 15 TAONA

NIAKARANA AN-TSEHATRA

Sample post image

Hizara hafaliana ho an'ny rehetra, hitsinjo ny zaza kamboty

29-janv-2026

Feno 15 taona katroka amin'ity taona 2026 ity ny niakaran'ny mpanankato Black Nadia an-tsehatra izay tsy zoviana amin'ny maro intsony. Ankoatra ny fanomezana tombony manokana ireo mpikarakara nampifandray azy mivantana tamin'ny mpankafy hatramin'izay dia hizara hafaliana amin'ny rehetra ny tenany sy ireo ekipany ao anatin'ny tarika raha toraka izany koa ireo zaza kamboty tsy manam-piahy. An-tsasa-bidy dia efa hahafahana maka an'i Black Nadia saingy tiany sy iriany kosa raha izy irery no mpanankato alaina rehefa misy fampisehoana mb hahafahany mizara ny faha-15 taona niakarany an-tsehatra amin'ny mpankafy. Afaka manotrona fitsingerenan'ny taona nahaterahana, Batisa, didim-poitra ihany koa izy amin'ny sary tsy lafo ho an'ny isan-tokantrano. Farany izay tsy kely akory dia hijery sy hanampy ireo fikambanana miahy sy mitaiza zaza kamboty ny tenany amin'ireo toerana izay rehetra alehany arahin'ny fanaterana fanatitra eny anivon'ny Fiangonana Loterana Malagasy ho fisaorana sy fankasitrahana an'Andriamanitra. Tsiahivina moa fa handeha ho any ivelany ihany koa i Black Nadia mandritra izao fankalazana ny faha-15 taona niakarany an-tsehatra izao raha any Morondava no hisantarany izany ny datin'ny 14 Febroary ho avy izao.
Pati
Légende : I Black Nadia tsy afaka ao am-pon'ny mpankafy !

 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Hosokafana amin'ny seho lehibe eny amin'ny La City Ivandry

Card image cap