Nandoro ireo kapila sy Fitaovana hosoka tratra ny avy eo anivon'ny « brigade anti-piratage » na borigady miady amin’ny hosoka sampan-draharaha eo anivon’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny andron’ny omaly. Kapika na CD sy VCD miisa 5000 izay teny Ambodin’Isotry, Anosibe, Andravoahangy tamin’ny ankampobeny ; décodeurs pirates (hello box, Open Box) 15 izay niainga avy amin’ny fisamborana tsikelikely noho ny loharanom-baovao ka Ankadimbahoaka, Fasan’ny Karana, Anosibe no nahitana an’izany. Nisy ihany koa ny boky hosoka nalaina tahaka tamin’ny boky manan-tompo, raha ny fanazavan’ny Lehiben’ny Brigade Anti-Piratage Ravonjisoa Tahiana. Eo amin’ny 66 no voasambotra tao anatin’ny tanjona fohy ezaka nandritra ny 4 volana. Eo amin’ny 9 eo ny olona efa tratra, misy ny mahafantatra hoe ireto « Brigade anti-piratage » fa misy ny tratra. Misy ireo nosamborina sy nohadihadiana, misy niakatra tribonaly, misy arahi-maso,… Tsy voararan’ny lalàna ny « telechargement » hampiasaina ho an’ny ao an-tokantrano fa ny fakana azy ireny hampiasaina sy hamidy itadiavam-bola no voararan’ny lalàna, hoy ny fanazavany raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika an’io. Miasa avokoa ny rantsa-mangaika eo anivon’ny Minisitera, mba ahitana vokatra, ka porofo iray izao. Vao avy nanao fakan-kevitra ny Minisitera mikasika ny volavolan-dalàna, ka ny zavatra tahaka izao dia isan’ny tafiditra anatin’ny fiarovana ny zon’ny mpamorona, ny mpanoratra, mpamokatra,… Efa nanao antso avo ihany koa ho an’ny mpaninjara toy ny « cybercafé »,…,. Tanjon’ny Minisitera ny hampiditra anatin’ny sehatra ara-dalàna ny rehetra. Nanamafy ny tompon’andraikitra fa fanakanana ny hosoka tsy hiparitaka eny an-tsena, fiarovana ny zon’ny mpamorona, ary fananterahana ny didy avy eny anivon’ny Fitsarana. Misy didy avoakan’ny Fitsarana ny fahafahana manatanteraka ny asa, ary misy fangatahana amin’ny kaominina sy ny fokontany, hoy ny avy amin’ny Minisitera notarihin’ny Mpikamban’ny kabinetra Atoa Andrianarivao Sitraka.
Toky R