airtel

kolontsaina

23-janv-2023

kolontsaina

Dina tsy nifanaraka tamin’ny hetahetan’ny fokonolona Nidina an-dalambe ny mponin’Ankililoaka

Sample post image

Tohin’ny raharaha famonoan'olona tamin'ny volana septambra 2022 lasa teo tao amin'ny kaominina Ankililoaka, Distrikan'i Toliara II,

23-janv-2023

faritra Atsimo Andrefana dia nidina amin'ny arabe ny fokonolona noho ny dina izay tsy nifanaraka tamin'ny hetahetan'izy ireo, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Efa tratra ireo olona izay voakasik’ity famonoan'olona ity ka niditra an-tsehatra ireo tomponandraikitra avy amin'ny Dinabe. Efa milamina ny raharaha araka ny tatitra voaray taorian'ny fidiran'ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra mba hiverenan'ny filaminana amin'ny laoniny ka hitohizan'ny fiainan'ny mponina toy ny andavanandro indray ny folak’andron’io sabotsy teo io hatrany. Ny maraina moa no nisian’izay fidinana an-dalambe izay, hoy ny fanamarihana voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap