airtel

kolontsaina

25-mars-2024

Fabien jamba

Hanao “Cabaret spécial anniversaire”

Sample post image

Elaela tsy niseho an-tsehatra ny mpanakanto “Fabien”

25-mars-2024

na fantatry ny maro amin’ny hoe “Fabien jamba”. Hiaka-tsehatra ao amin’ny “Le Glacier” Analakely, ny lehilahy, ny sabotsy 30 martsa izao, manomboka amin’ny 09 ora alina. Seho tokana ity hataon’i Tovonkery Jean Fabien na “Fabien jamba” etsy Analakely ity, raha ny fampitam-baovao nomen’ny mpanakanto. Mpanakanto maromaro no hoavy hanontrona azy amin’io fotoana io. Tafiditra anatin’ny fankalazany ny tsingerin-taona nahaterahany ny seho ary nampitondraina ny anarana hoe “Cabaret spécial anniversaire”. Miantso ny mpankafy, hoy izy, ny mpanakanto sy namany ary fianakaviana ho mariky ny fifankatiavana sy firahalahiana nisy hatramin’izay. Ho hita ao anatin’ny seho ny fanaovany ireo hira namantarana azy hatramin’izay toy ny “Annick”, izay manana gadona milanto. Tsy hohadinoiny ihany koa ny vokatra vaovao vao mafana nangatahan’ny mpankafy, toy ny “Eva”, izay hira vaovao mifono tantaram-pitiavan’ny lehilahy iray manan-kilema tamina tovovavy iray. Matetika ny lehilahy manana fahasembanana, hoy ity mpanakanto ity, dia voahiliky ny vehivavy tiany hatrany. Hira maneho io fa na eo aza ny fahasembanana ananana, hoy izy, dia vonona hiatrika ny fiainana tsy hianteherany amina vehivavy izy. Tsy tantaram-piainany io “Eva” io fa tantaram-piarahamonina nanaitra sy nandona ny foko ary izao norafetina an-kira ho hafatra ampitaina izao. Mijanona eo amin’ny famoronana sy fihirana hatreto raha ny antanan-tohatra efa nolalovan’i Fabien teo amin’ny sehatry ny mozika efa lava dia lava raha nanomboka ny taona 2003 no efa nanombohany nihira sy niakatra an-tsehatra, hoy hatrany i Fabien jamba.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique