airtel

kolontsaina

02-nov-2026

FAFY VINAGNY

NATAO TAO MANAKARA

Sample post image

Nampahatsiavana ireo fady.....

02-nov-2026

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny volana Oktobra teo tany Ampilao distrikan’i Manakara ilay hetsika ara-kolontsaina Fafy Vinagny. Tanjona tamin’izany ny hanajana sy hitandroana ny hasin’ny toerana ary hiarovana ny lova ara-kolontsaina navelan’ireo razambe. Tsy afa-nisaraka tamin’ity fombafomba ity ny Atafana lehibe, izay manana endrika tanana mifampitohy, maneho ny fifankatiavana sy ny firaisankina raha araka ny vaovao voaray. Talohan’ny nanatanterahana ny fafy teny amin’ny Vinagny dia nanao fangataham-pitahiana sy fangatahana lalana teo amin’ny Atafana ireo raiamandreny ara-drazana. Niverina teo amin’ilay toerana izy ireo rehefa vita ilay fombafomba ho mariky ny fisaorana. Tsiahivina moa fa zava-dehibe amin’ny fiainan’ny mpanjono sy ireo mponina miankina amin’ny ranomasina ny fanajana ny hasin’ny Vinagny. Notsiahivina nandritra izany ireo fady tsy maintsy tandrovina, toy ny tsy fanaovana lamba mena sy ny tsy fihinanana henan-kisoa eny amin’ny manodidina ny Vinagny, indrindra fa ny eny amoron-dranomasina. Ireo raiamandreny ara-drazana avy ao Maroala sy Sorombo no nitarika sy nanatanteraka ny fombafomba, notronin’ireo mpanjono sy ny manam-pahefana tao an-toerana. Omby iray no novonoina tamin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Mety hitera-doza ho an’ireo mandika ny fady ny tsy fanajana ny fombafomba nataon’ireto Raiamandreny ireto !
 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Eo am-pandinihana ny

Card image cap
02-nov-2026

Namoaka boky mirakitra ny tantaram-piainany

Card image cap