airtel

kolontsaina

02-nov-2026

Fiaraha-miasa

amin’ny Rosianina

Sample post image

Eo am-pandinihana ny

02-nov-2026

ivon-toeram-piofanana ara-pambolena
Tafaverina an-tanindrazana ny faran’ny herinandro teo ny delegasionina notarihin’ny PRRM Kolonely Michaël Randrianirina, rehefa avy nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy Afrika. Nisongadina ny fihaonana mivantana teo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny Filoham-pirenena rosianina, Vladimir Poutine. Navoitra fa sehatra maromaro no azo hampivelarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nambaran’ny PRRM Michaël Randrianirina teo am-pahatongavana fa tsy hijanona ho resaka fifanakalozan-kevitra fotsiny izany, fa efa misy ireo minisitra voakasika nanomboka nandrafitra ny paikady sy ny taratasy fiaraha-miasa. Anisan’ny laharam-pahamehana ny sehatry ny fahasalamana. Eo am-pandinihana ny fahafahan’i Madagasikara misitraka laboratoara finday avy amin’ny Fanjakana Rosianina, izay heverina fa hanampy amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eto an-toerana. Eo amin’ny fambolena kosa, kasaina hapetraka ny ivon-toeram-piofanana momba ny fambolena, iarahana amin’i Rosia. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitana fahalalana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ity sehatra ity. Hahazo vahana ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampianarana ambony. Kendrena ny hampitomboana ny isan’ireo mpianatra malagasy hahazo vatsim-pianarana avy amin’ny Fanjakana rosianina, mba hahafahan’izy ireo manohy ny fianarany any Rosia. Nasongadin’ny Filohan’ny Fanavaozana manokana ihany koa ny tokony hanaovana ezaka amin’ny fampitoviana lanja ny mari-pahaizana sy ny diplaoma avoakan’ny oniversite malagasy amin’ireo diplaoma ekena any ivelany. Araka ny fanazavany, tokony hiorina amin’ny fifanajana sy ny fitovian-jo ny fiaraha-miasa amin’i Rosia, ka tsy tokony ho ambany toerana ny mari-pahaizana malagasy. Ankoatra ireeo, nisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny harena an-kibon’ny tany, indrindra ny fitrandrahana sy ny ady amin’ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko. Tafiditra ao anatin’ny vina ny fanatsarana ny fitantanana ity harena voajanahary ity mba hahazoan’ny firenena tombontsoa bebe kokoa. Ara-tafika, efa misy ny fiaraha-miasa ara-miaramila eo amin’i Madagasikara sy Rosia, ary mbola kasaina hamafisina sy hotohizana izany amin’ny fotoana ho avy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-nov-2026

Nampahatsiavana ireo fady.....

Card image cap
02-nov-2026

Namoaka boky mirakitra ny tantaram-piainany

Card image cap