Nanolotra ofisialy ny boky vaovao miisa 3 ho an’ny ankizy ny Éditions e-Vetso, omaly 03 desambra tetsy amin’ny librairie “Il était Une Fois” Ankorondrano, Antananarivo. Hetsika niavaka manamarika dingana lehibe amin’ny fanoloran-tenan’ny e-Vetso amin’ny fanomezana votoaty manabe sy manaitra saina ho an’ny ankizy malagasy, ho liana amin’ny famakiam-boky sy ny kolontsaina Malagasy indrindra indrindra, raha ny fanazavan’i Antsa Andriamiadanarivo Mpiandraikitra voalohany ny Editions e-Ventso. Voalohany ny Boky “Vangovango”, angano amin’ny endrika « audio » sy sary, nosoratan’i Ny Eja Solonomenjanahary. Manambatra lovantsofina sy zava-baovao, azo henoina amin’ny alalan’ny QR code amin’ny teny malagasy sy frantsay. Boky ravahan’ny sarin’i Owliëns, miaraka amin’ny feo sy mozika natolotr’i Nancy, Liantsoa ary Tabiha Mahatozo, niaraka tamin’ny fanatontosana nataon’i Jimmy Rajaonarivo Ratsimandresy. Ankoatra izany, navoaka ny boky puzzle KI?LALAO na “La Bible” sy “Mé Zémotions”. Ny voalohany dia manampy ny ankizy hahafantatra tantara ara-baiboly amin’ny alalan’ny sary sy sombintsombiny azo atambatra na « puzzle », manatsara ny fahaiza-manao ara-batana sy manetsika ny finoana. Ny faharoa kosa dia boky telo fiteny (malagasy, frantsay, anglisy) mampahafantatra ny fihetseham-po amin’ny alalan’ny biby avy eto Madagasikara. Ireo boky roa ireo dia natao miaraka amin’ny sary nataon’i Ana Barbosa, ary ny fanatontosana niarahana tamin’i Laureana sy Jimmy Rajaonarivo Ratsimandresy. Samy boky mafy fonony misy puzzle, vita amin’ny fitaovana mafy nahazo fanamarinana FSC, ka manampy amin’ny fahatakarana fihetseham-po, fahaiza-manao ara-batana, ary fahalalana fiteny sy kolontsaina. Nampitombo ny hakanton’ny lanonana ny atrikasa ara-mozika niarahana tamin’ny DOREMILAND, tarihin’i Tatie Li (Liantsoa Emadisson) sy ny ekipany, namerenana nizarana ny Volume 2 amin’ny boky feo “Comptines et chansons de Madagascar”, izay efa ankafizin’ny ankizy sy ny Ray aman-dReny. Natao mba hanetsehana ny fahaiza-mamorona, hampifandray ny mozika, ny fiteny ary ny kolontsaina, nampifaliana ny fianankaviana,... Ho an’ny Vangovango, dia azo jifaina amin’ny vidiny 60000Ar izay 700 eo no natonta, raha 70 000Ar isaky ny boky kosa ny «Ki ?Lalao » sy ny « Mé Zémotions » izay 1000 avy no natonta, raha ny fanazavana.
Toky R