Toy ny fanaony isan-taona dia notontosaina ny faran'ny herinandro teo ny fampisehoan’ireo mpianatra ny talentany manomboka any amin’ny ambaratonga fototra hatramin’ny kilasy famaranana ao amin’ny Lisea tsy miankina Gloria na «Lycée privé Gloria» eny Andavamamba. Notontosaina tao amin’ny teatra monisipaly etsy Isotry izany tamin’ity taona ity. Ny antony, hoy ny fanazavàn’ny tale jeneraly, Faneva Nasandratra Rakotonindriana, dia isan’ny zavakanto iray maha mora ny fampitàna fanabeazana ny teatra. Ahafahan’ireo mpianatra mivoatra amin’ny fizarana miteny io, na teny malagasy izany na teny vahiny, fa ahafahany mivoatra amin’ny fahafantarany ny tantaran’ny fireneny ihany koa. Ilaina ny mamelo-maso ireo vakoka ara-java-kanto tahaka izao, hoy izy, hivady amin’ny fampianarana sy fanabeazana satria tena manampy betsaka amin’ny fahatakàran’ny mpianatra ny fianarana omena azy any am-pianarana ihany koa izany. Hahaizany mamoaka talenta ilay izy ary fianarana mampihatra sahady ny fianarana atao amin’ny hoavy. Zarina hahay miseho vahoaka sahady ireo mpianatra no sady mamantatra ny zava-nisy taloha. Kolontsaina tiana apetraka anatina hetsika toy itony noho izany ny haneho amin’ireo mpianatra hoe nisy an’itony fomba taloha itony izay nampahay ireo zokintsika tany aloha ary tsara raha averina sy tehirizina ho fanabeazana ny taranaka aty aoriana ihany koa, hoy hatrany ny fanazavàn’ity talen-tsekoly ity mikasika izay fanabeazana sy fampianarana tovozina amin’ny alalan’ny teatra izay.
Nangonin’i J. Mirija