Araka ny efa nambarako hatramin’izay, hoy ny mpikambana anivon’ny fiarahamonim-pirenena no sady mpanelanelana tanatin’ireo krizy nifanesy teto amin’ny firenena, Maitre Cyprien Raheriharimahefa, fa nahomby ny fanelanelanana nataonay tamin’ny 2012-2014 matoa tody teo amin’ny hoe «ni…ni» na samy tsy nisy nahazo nirotsaka ireo mpifanandrina politika miisa 2 Ravalomanana-Rajoelina. Hery faran’izay matanjaka indrindra teto amin’ny firenena, hoy izy, ireo nakisaka tamin’izany ireo. Teo amin’ny fifidianana hivoahana amin’ny krizy no nisy lesoka. Isany ny tsy fahampian’ny fahefàn’ny CENI nitantana fifidianana. Tsy maintsy mbola niditra ny minisiteran’ny atitany. Nipetraka teo ny adihevitra hoe tokony ho ny minisiteran’ny atitany ihany ve no avela hikarakara fifidianana fa atao matanjaka ny fanaraha-maso? Ny zava-misy ankehitriny dia tonga dia efa mitari-dalana mihazakazaka ny CENI. Ny adihevitra mbola tsy niainga akory. Betsaka ny lesoka hita tokony ovaina tamin’izany fotoana izany. Isany ny fanaovana lisi-pifidianana, ny rindram-baiko, ny fanaraha-maso, tsy maintsy miova ity fandoavana volabe ity satria manitsaka demokrasia na hoe «anti-démocratique». Tokony miainga avy any ifotony foana ny fifidianana mba tsy hisian’ny lesoka mitranga toy ny teo aloha hoe rehefa lany ilay filoha dia manaraka ny lokony daholo ny rehetra. Any no tokony hisian’ny adihevitra. Rariny sy hintsiny raha tsy mety tanteraka, eo amin’ny lafiny fanelanelanana, ny zava-misy ankehitriny fa hoe mihemotra hatrany satria mandidy dia omana ny mpanao politika. Tokony manana fahaleovantena tanteraka ny manao fanelanelanana! Izahay tamin’ny andron’ny CSI tsy nanaiky ho tendren’ny fanjakàna satria rehefa voalazan’ny andininy faha 28 tao amin’ny tondrozotra hoe ireto no fiarahamonim-pirenena mitantana ny «comité de suivi et de contrôle de l’application de la feuille de route» na komity mpanara-maso ny fanatanterahana ny tondrozotra ny nivory manokana nanapaka izahay hoe ireto no mitondra an’ilay izy. Tsy nanaiky ho tendren’ny fanjakàna izahay. Adihevitra be tamin’izany hoe inona no vola hamatsiana anareo raha tsy tendren’ny fanjakàna? Rehefa tsy afaka hamatsy, hoy izahay, ny fanjakàna dia ambarao mazava fa voalaza ao amin’ny tondrozotra hoe rehefa tsy afaka mamatsy dia manara-maso ny fanatanterahana ny tondrozotra ny fianakaviambe iraisampirenena. Nanendry tena izahay dia nalalaka tamin’ny fanelanelanana natao. Niainga tamin’ny fiarahamonim-pirenena ny «ni…ni» fa tsy avy amin’ny fianakaviambe iraisampirenena. Nalaina ny foloalindahy ho «force exécutoire» na balizy hiaraka nanao fanambaràna fa tsy mahazo milatsaka ireo mpifandrina politika mivantana roa. Nandeha ny adihevitra dia namaly izahay hoe raha manana fanapahan-kevitra mety hafa aza ianareo dia ambarao! Tsy tokony ho tendren’ny fanjakàna ny olona manao fanelanelanana! Tokony apetraka fotsiny ny fotokevitra hoe mivory ny fiarahamonim-pirenena, FFKM sy ny rehetra dia manangana komity mpanelanelana hikarakara ny fikaonandoham-pirenena dia mandeha. Mbola tsy anatin’ny tena adihevitra demokratika mikasika ny tena lalan-kivoahana mahasoa ny firenena isika izao. Mbola tafiditra anatin’ny fanamafisan’ny tsirairay ny hery politika ananany izao isika. Samy nampiasa izany daholo ny mpitondra teo aloha nitazomany fahefàny sy mbola ahafahany mandrombaka fahefàna ka tsy ifanomezan-tsiny. Samy nampiasa ny fahefam-pitsaràna ireo, ny vola teo an-tanany, ny fahefàna ara-miaramila ka sarotra, noho izany, ny ifanome tsiny. Ohatran’ny tantaran’Ikotofetsy sy Imakaha tsy notohizana io. Raha ny hevitro dia ny tantaran’Ikotofetsy sy Imakaha no fototra nihavian’ny fihavanana. Rehefa tonga tamin’ny fifamotehana fara-tampony ireo dia tonga saina fa tsy mahasoa ilay mifamely ka andao hihavana. Izahay nahadingana an’izay hoe aoka izay ny fifamotehana no ilain’ny firenena ankehitriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija