teny amin’ny Ilo Hotel Andakana Mahitsy ny fifaninana ara-mozika goavana « Fanilo Voice 2026 » izay heverina hamoaka ireo talenta sy mpanakanto miavaka ho an’ny rahampitso. « Natao mba hahafahan’ny tanora mivelatra kokoa hanatratra ny tanjony amin’ny resaka mozika. Miavaka sy tsy mitovy amin’ny fifaninanana rehetra satria maimaimpoana, afaka mandray anjara ny rehetra, ny sokajin-taona rehetra », hoy Rtoa Ratsimbazafy Mialimanantsoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ilo Hotel. Mahatratra 210 ny mpifaninana, izay saika voasolo tena ny faritra rehetra eto Madagasikara amin’ny ankampobeny satria misy hatramin’ny avy any Morondava, Toliara,… izay tena lavitra. Ny 3 voalohany dia hahazo loka goavana 10 tapitrisa Ar : 5 tapitrisa Ar ho an’ny voalohany, 3 tapitrisa ho an’ny faharoa, ary 2 tapitrisa ho an’ny fahatelo. Mpitsara 3 matihanina no mitsara ny fifaninana, izay tarihin’i Christian Salala, Rajery, ary Rijakely ao amin’ny Tarika Vetson-kira, miampy mpitsara matihina iray hafa amin’ny lafiny dihy sy fihetsika. « Mason-tsivana hahafantarana fa mahay mihira ny olona iray dia voalohany voafehiny ny fihirana satria tokony ho voafehy ny feo, tsy mamalana, marina tsara ny fomba fihirana. », hoy Rajery. Nanipika kosa i Christian Salala fa ny olona tsirairay dia samy manana ny fihirany, fa ny fahaizana mifehy an’iny hanaraka ny fepetra takian’izany hoe mpihira izany,… ka ny fifaninana tahaka itony no hitsarana azy, hanavahana ireo olona mahay mihira sy ireo mbola tsy azo sokajiana ao anatin’izany. Nomarihiny misy teknika izay matetika fiofanana no hahazoana azy, tsy maintsy miofana, fa misy ny manana talenta voajanahary,… fa ny teknika tsy maintsy amin’ny alalan’ny fiofanana. « Anton’ny fifaninana tahaka izao dia mba hitiliana ihany koa hoe : iza no ho mpanakantontsika rahampitso, ary efa mametraka an’izay izahay. Misy karazam-peo ary misy mason-tsivana samihafa jerena ao anatin’izay hoe ity kosa manana ny hoaviny aoriana ao », hoy kosa i Rijakely. Eezahan handray an-tanana an’ireo manana talenta, hoentina sy hitondrana azy mba hamorona sy hanana ny azy manokana, hanany ny maha izy azy. Nanamarika kosa ny Ilo Hotel tamin’ny alalan-dRtoa Ratsimbazafy Mialimanantsoa, mba hanehoana amin’ny olona fa misy toerana mahafinaritra sy tena mahaliana any an-toerana, ka hampahafantarana ihany koa ny hakanton’ny toerana no antony hanaovana ny fifaninana ao amin’ny Ilo Hotel, izay tena miavaka sy mahaliana na somary mihataka an’Antananarivo.
Toky R