Talatamaty ny herinandro teo. Voalaza fa naka ireo trondrony tao amin'ny dobo iray ity lehilahy ity no nitangoronan'ireo ankizy teo an-tanàna. Rehefa vita izay nataony dia navelany nitsimpona izay tsy azony ireo ankizy ka isan'izany ity ankizivavy 12 taona. Io ankizivavy io no farany teo ary tsy nahazo na inona na inona intsony ka nantsoin'ity lehilahy lehibe ity ary nofitahiny fa omeny trondro. Rehefa niditra tao an-tranony ilay ankizivavy dia nohidiany an_keriny ary nanamparany ny filan-dratsiny. Nalefa eny Tsiafahy avy hatrany ity lehilahy ity mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy, araka ny tatitry kaompanian'ny zandarimaria Ambohidratrimo.
Nangonin'i Toky R
Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe Rija Rasolondraibe