airtel

kolontsaina

13-avril-2026

Festival de Tsapiky

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Sample post image

Ho avy handray anjara amin’ny

13-avril-2026

Festival de Tsapiky hatao any Toliara ny 17-18 aprily 2026 izao i Tirike. Mpanakanto sangany amin’io gadona io, ary nosokajian’ny Malagasy ho « Mpanjakan’ny Tsapiky », niainga tany amin’ny taona 90, izay izy no isan’ny andrarezina nitondra sy nivoy io gadona io eran-tany, tao anatin’ny 35 taona. Isan’ny niorenan’ireo aingam-panahy tamin’ny famoronan’ny Tarika Tirike ny fanasongadinana ny zava-misy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy izay misedra olana maro mandrak’ankehitriny. Anarana tsy azo kosehina amin'ny Tsapiky noho izany i Tirike, ka rariny sy hitsiny ny nanafaran’ny Fitondram-panjakana azy manokana avy any ampitandran-dranomasina, ka higadona eto an-tanindrazana tsy ho ela ny tenany, hanotrona sy handray anjara feno amin’ny fanandratana ny gadona « Tsapiky » izay gadona mampiavaka ny faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy. Tsara ny mampahatisahy fa ny taona 2025 teo no nankalaza ny faha-35 taonany ny Tarika Tirike, ka anisan’ny fotoan-dehibe ny tao Toliara ny volana aogositra 2025, niampita tamin’ny toerana maro teto Madagasikara sy tany ampitan-dranomasina. Mbola tsy lefy lazaan’i Madagasikara, nampahafantatra ny gadona Tsapiky. Tirike Augustin, mazava ho azy dia iray amin’ireo Mpanjakan’ny Tsapiky eto Madagasikara. Natsangana tamin’ny volana Aprily 1990 tao Ampanihy Andrefana ny tarika, efa nahavita nitety an’i Madagasikara manodidina ny 95% hatramin’ny volana Martsa 1993. Mpampiroborobo tsy azo lavina ny gadona Tsapiky avy any Atsimo, ary izay nieli-patrana sy ankafizin’ny vahoaka Malagasy. Hatramin’ny namoronana azy dia nahavita nampandihy sy nampiala voly tamin’ny seho miisa 120 isan-taona ny tarika. “Amin’ny zava-kanto, tsy misy tsiambaratelo be dia be! Mila manao zavatra mahakasika ny fiainan’ny fiarahamonina, voakajy tsara na ny tonony na ny feony.” Ohatra manan-tantara ny hira “Vinanto”, izay isan’ny hira be mpanao cover indrindra eto Madagasikara hatramin’ny taona 90, hoy i Augustin Tirike tamin’ny fanamarihana ny faha-35 taonan’ny tarika. Marihina fa teraka tao Ampanihy ny tenany, mipetraka sy miasa any Marseille ankehitriny, saingy miezaka mitondra anjara biriky hatrany ho an’ny tanindrazana, ankoatra ny fanandratany ny zava-kanto Malagasy. Anisan’ireny ny nanangany vovo 5 tany Atsimo tamin’ny alalan’ny “lever de fond”, nizara filtre à eau ho an’ny mponina, nizara fitaovam-pianarana,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap