mandritra ny fetin’ny paska ny STAR. Toy ny isan-taona dia hifamotoana ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra ny STAR, ny mponin’Antsirabe ary ihany koa ireo mpiala sasatra rehetra mandritra ny vanim-potoanan’ny Paska. Ny sabotsy 04 ka hatramin’ny alatsinainy 06 aprily dia hivadika sehatra goavana hisokatra ho an’ny rehetra ny arabe manoloana ny garan’Antsirabe. Hafana dia hafana hatrany ny fotoana miaraka amin’ireo mpihira malaza amin’izao fotoana izay hifandimby hiaka-tsehatra. Ao anatin’ny telo andro dia hanolotra seho mahafinaritra ho an’ny rehetra ireo artista toa an'i Lion Hill sy LJO ny Sabotsy 04 Aprily. Ry Jack’Dad sy Samoela no handimby izany ny Alahady 05 Aprily hofaranan'i Arione Joy sy ny Tarika ‘Zay ny Alatsinainy 06 Aprily.Tsy adino ihany koa ireo mpanentana izay efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony toa an’i FOU HEHY, BARHONE ary TEG. Hanafana ny fiarahana ihany koa ireo mpikosoka kapila toa andry DJ NICKY DI MANU, DJ LOOPING, DJ JIM ary DJ THREE T. Ho fandraisana ireo mpitsidika an’hetsiny dia tranom-barotra maro no ho hita eny amin’ny Gara ary hisy ihany koa ny Espace Pression izay azon’ny rehetra hidirana. Toy ireo hetsika rehetra karakarain’ny STAR dia tsy atao ambanin-javatra mihitsy ny lafiny fandriam-pahalemana sy fiarovana amin’ny loza mandritra ireo 3 andro ireo. Hifanome tanana amin’izany ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpiambina sivily. Eo ihany koa ny lafiny fahadiovana, efa misy ny olona natao hanadio ny toerana rehetra isan’andro. Hisy hatrany vata kopakelatra izay natao hanangonana ireo tavoahangy plastika rehetra avy nampiasaina.
Pati
Légende : Nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin'ny mpanao gazety omaly !