airtel

kolontsaina

11-juin-2021

kolontsaina

Fetin’ny mozika 2021 Hanandratana mpanakanto vao misondrotra

Sample post image

Hiavaka indrindra amin’ny hatrizay ny fetin’ny mozika amin’ity taona 2021 ity, izay hanomboka ny 14 ka hatramin’ny 21 jona izao,

11-juin-2021

 

 

noho ny firosoany misimisy kokoa amin’ny fanapariahana ireo fampisehoana amin’ny alalan’ireo tekinolojia manaraka ny toetr’andro ankehitriny, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara avy anivon’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma sy ny Alliance française de Madagascar tetsy amin’ny AFT Andavamamba omaly. Mananika ny 130 isa ankehitriny ireo firenena mankalaza azy ity ary isan’ny nampiavaka ny fankalazana teto Antananarivo tamin’ny taon-dasa izay fampitan-davitra ny fampisehoana teny an-tambazotran-tserasera rehetra teny izay tamin’ny fiarahamiasa tamin’ny Telma, hoy hatrany ny fanazavana. Ho sady fanohizana izay fety miaraka amin’ny fiarovana ny lafiny fahasalamana noho ny fihibohana izay hatrany dia tapaka fa ho tohizana hatrany izay fomba fankalazana izay ary ferana tsy hihoatra ny 50 isa kosa ireo mpijery mivantana ireo fampisehoana manerana ireo Alliance française miisa 17 handray ny hetsika eto Madagasikara. Tanjona ny fanandratana sy fitrandrahana ireo mpanao mozika vao misondrotra sy miavaka ka antony maha maimaim-poana hatrany ny saram-pidirana. Mpanakanto maro noho izany no handray anjara ka isany ry ADN, Mr Sayda, Germain et Prince, Mamy Basta, Lohan sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Nanomboka omaly Alatsinainy 06 May maraina ny asa fanamboarana ny Village Artisanal

Card image cap
07-mai-2024

Ho tafaraka indray ao amin’ny Valahara café Antsirabe Ifanihy sy Tselonina ny alin’ny 31 may izao.

Card image cap