Raha araka ny resaka re tetsy sy teroa dia noho ny hasarotan’ny fiainana no mahatonga izany. Saika variana amin’ny fitadiavana ny hanin-kohanina avokoa mantsy ny rehetra ka tsy nahatsiaro intsony fa fety omaly. Manampy trotraka izany ny fanakaikezan’ny fotoana handoavana hofan-tranon’olona sy ny vidin-jiron’ny JIRAMA nefa mbola hankalazaina amin’ity herinandro ity ihany koa ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena. Ho an’ireo mpivarotra fanomezana manokana moa dia nanambara izy ireo fa tsy nisy firy mihitsy ireo nividy fanomezana ary namono izany tamin’ny fonosana tsara tarehy tamin’ity taona 2023 ity. Manaporofo izany hoy ireo mpivarotra fa tena sahirana ny Malagasy ary tena miady amin’ny fiainana ny ankamaroany. Na izany aza dia tsikaritra fa nalaza kokoa ny fankalazana ny fetin’ny Reny raha oharina tamin’ny fetin’ny Ray.
Pati
Legende : Nirantiranty fotsiny ny fanomezana tena an-tsena fa tsy nisy mpividy
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady