Nisy omaly tetsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona ny hetsika fanamarihana ny fetin’ny reny izay notarihin’ny fikambanana Mii’zara. Hetsika ara-javakanto samihafa toy ny hira sy ny dihy no nentin’izy ireo nanamarihana izany ary nahafahan’ireo nandalo teny an-toerana nandray anjara ihany koa. Teo ihany koa ny fampirantiana momba ny tenona izay natao fanomezana ho an’ireo reny rehetra nandalo. Ao anatin’ny tetikasa ny fampivoarana ny ankizy, ny fampitomboana ny fahaizany ihany koa, hoy i Finoana Annick Rakotonomena, tomponandraikitra eo anivon’ny fikambanana. Manarak’izao, araka izany, hoy izy, ny hetsika fanampiana ireo mpanala fanadinam-panjakàna CEPE sy ny fampidirana ireo ankizy sahirana amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Tsy ny ankizy ihany no ampiana ao anatin’izany fa ny ray aman-dreny ihany koa satria tsy mora ny mikarakara sy mamolavola zanaka hanana hoavy mamiratra. Fitaratra izany atao hoe reny izany. Mampianatra ny tokony atao ary lohalaharana amin’ny atao rehetra. Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny firenena ny reny, eo amin’ny fiarahamonina, fiainantsika manontolo mihitsy, hoy hatrany izy.
J. Mirija