airtel

kolontsaina

04-août-2026

Fety be amin'ny forazaza

Tsy voafehy ny tsy

Sample post image

fanajàna fiarahamonina

04-août-2026

Na ireo mpitandro filaminana eny amin'ny lalana aza lasa mihanahana fotsiny toy ny tsy mahita izay atao rehefa mandalo ilay mozika be sy fary lava vany mikiraviravy, indrindra, ireo dihy fitombenana be manaraka ny arabe izay saika hita nanerana ny lalan'Antananarivo tokoa tato ho ato. Aty ririnina tanteraka isika io. Fotoanan'ny antsoina hoe didipoitra na forazaza, hoy ny avy eto anivon-tany. Samy manana ny anarana moa ny isam-paritra. Ao ny manao hoe Sambatse na Savatse na Sambatra ihany koa, ankoatran'izay. Tsikaritra ho miha tsy voafehy hatrany ny fanajàna fiarahamonina ao anatin'izay rehetra izay fa dia ireny hita miharihary misy mizara hatrany anaty tambazotran-tserasera ireny hoe ataon'ny tompom-pety mandalo lalan-tsaran'olona mihitsy ny dobodoboka be. Ny dihy eraky ny lalana sady mibahana fifamoivoizana mihitsy miaraka amin'ireo fary lava vany miampitampita toy ny eny an-tokontany. Efa maro ihany moa izay fitarainana heno ho voaray eny anivon'ireo fokontany samihafa izay ka dia andrasana ny fandraisan'andraikitr'ireo tomponandraikitra. Heverina fa tsy ny fety sy ny kolontsaina no ratsy na tsy azo atao saingy ny fetrany kosa no inoana fa mila ampahatsiahivina ny tsirairay na ampahafantarina izay mbola tsy mahafantatra mihitsy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique