airtel

kolontsaina

03-nov-2022

kolontsaina

Fifandraisana amin’i Etazonia Notokanana ny American corner ao Mahajanga

Sample post image

Notokanana omaly 02 novambra 2022 ny “American corner” ao Mahajanga habaka harifomba, izay hampifandray an’i Mahajanga amin’i Etazonia sy izao tontolo izao.

03-nov-2022

Nohavaozina ary niverina nisokatra ho an’ny rehetra indray. Niara-nitokana izany ny Ambasadaoro Amerikanina Claire Pierangelo, ny Governoran’ny Faritra Boeny Mokthar Salim Andriantomanga sy ny Filohan’ny Delegasiona Manokan’i Mahajanga Tonganirina Zafiarinefo Velomary ary ny Tonia Mpanatanteraky ny Fondation Axian Isabelle Salabert. Notsipihan’ny Ambasadaoro Pierangelo fa manan-danja ny fitokanana izay natao satria “ Ny fisokafan’ity American Corner Mahajanga ity dia mampiseho ny fanavaozan’ny governemanta amerikanina ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ireo izay nisitraka ny tetikasa fifanakalozana notohanan’ny governemanta amerikana, ireo mpikambana ao amin’ny American Corner ary ianareo rehetra manatrika eto mba ahatonga an’i Mahajanga ho mpandray anjara feno amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena Malagasy sy maneran-tany indrindra amin’ireo lohahevitra manan-danja na ho an’ny eto an-toerana manokana na maneran-tany.” Tamin’ny taona 2005 no nisokatra ny American Corner Mahajanga vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara sy ny Lycée Philibert Tsiranana; io ivon-toerana io dia niasa ho an’ny mponin’i Mahajanga, indrindra ny mpianatra, hatramin’ny taona 2020. Ny ivon-toerana vaovao izay napetraka ao amin’ny Wello Center Mahajanga Be dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Masoivoho Amerikana sy ny Fondation Axian ary ny fikambanana Saint Gabriel Mizara. Niantoka ny fampitaovana ny ivon-toerana izay mitentina 50 000 dolara ny vahoaka amerikanina, tamin’ny alalan’ny governemanta amerikana; ny Fondation Axian izay tarihan’ny Tale Jeneralin’ny Vondrona Axian Hassanein Hiridjee nanome 12 000 dolara nanavaozana ny toerana niampy Internet haingam-pandeha; ary avy amin’ny fikambanana Saint Gabriel Mizara ny mpandrindra ny ivotoerana izay hikarakara ireo hetsika atao isan’andro sy ny fampiodinana ny ivon-toerana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Masoivoho Amerikanina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Hanolotra seho miavaka eny Talatamaty eny indray ny tarika Tempo gaigy ny 5 may 2024 izao,

Card image cap
23-avril-2024

Hifanakalo mozika anaty alina miavaka etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Bekoto,

Card image cap