Tsy tokony ho sarotra anefa ny teny Frantsay raha araka ny fanazavan-dRamanamizaka Tanteliniaina, mpandrindra ara-pedagojika eo anivon’ny Alliance Francaise tamin’ny mpanao gazety omaly. Ilay fanaovana tsianjery ny vocabulaire sy ny grammaire hoy izy no hita tena lesoka nefa tsy izay no lakile. Ankoatra izay hoy izy dia ilay rafi-pampianarana eto amintsika ihany koa no mbola misy olana….Nankalazaina omaly alakamisy 23 novambra ny andro manerantany ho an’ny mpampianatra ny teny Frantsay. Nisy araka izany ny latabatra boribory niarahan’ny Alliance Française notarihin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana Raharinosy Monique sy ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny IOF tetsy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy. Anisan’ny loha-hevitra novohabohasana nandritra izany ny hoe : mpampianatra ny teny frantsay, mpamorona ny ho avy tsara. Nosy rahateo isika eto Madagasikara, mifandraina amina firenena vahiny maro ka anisan’ny tokony ho folaky ny tsirairay indrindra fa ireo ankizy mpianatra sy tanora ho avin’ny firenena ny teny Frantsay. Tanjona tamin’izao hetsika notanterahina omaly izao araka izany ny hahafahana manatsara ny fahaizana ny teny Frantsay, ny fanatsarana ny rafi-pampianatra misy sy ny fomba fampitana izany.
Pati
Legende : Nandritra ny latabatra boribory notanterahina omaly tetsy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny
Hanolotra seho miavaka ny Tarika Solika ho fankalazàna ny fetin’ny reny ny Alahady