tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Fikambanana FFAM sy FITRAMA “Aoka tsy hiandry toerana fa tsy izay no fitiavan-tanindrazana”

Malagasy isika, miteny foana hoe fitiavan-tanindrazana,hoy ny FFAM na “Force féminine d’aide mutuelle”, izany hoe ny fikambanan’ny vehivavy ho fanampiana ny mpiara-belona omaly tetsy Anisizato.

22-févr-2023

Sample post image

Hatraiza ilay fitiavan-tanindrazana, hoy ny filohan’izy ireo, Mishah Rasolofo. Tsy tokony hiandrasana olon-kafa foana ny fandraisana andraikitra. Raha samy mahatsapa tena handray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay dia ho tratra ilay tanjona dia ny hoe miaina anaty firenena mandroso, feno filaminana, hananana taranaka vanona. Fampianarana an’izay ho an’ireto tanora ireto no atao anio (TTF: omaly) fa fizarana traikefa ihany koa eo amin’ny raiamandreny sy zanaka, izay tena tsy ampy amin’ny tanora. Lasa mandeha amin’ny lalan-diso ny ankizy satria variana amina zavatra hafa. Aoka tsy hiandry toerana hoe aleo aho minisitra mihitsy na depiote na manana miliara vao hanampy ny tanora. Tsy izay no atao hoe fitiavan-tanindrazana. Afaka entina hanampiana mpiara-belona daholo na kely aza no eo am-pelantanana rehefa ao ilay fitiavana sy finiavana. Ny ataonay izao satria mety tsy manana fahafaha-mifandray mivantana amin’ireo mpandraharaha ny tanora dia anjaranay izay manana an’izany no mampifandray hoe misy tanora ireto sao dia mba misy asa ho azy ireo ao aminareo. Isaorana ireo orinasa nanampy manoloana izany satria dia manodidina ny 500 isa izao no nahazo asa vokatr’izay fiaraha-mientana sy miasa izay, hoy hatrany ny FFAM. Araka ny fanamarihana moa dia tanora manan-talenta amin’ny fitsaboana nentim-paharazana izay niofana teo anivon’ny mpitsabo malagasy FITRAMA ireo nampiana hiditra amin’ny sehatra matihanina ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
FIZALAOTRA Hanao fivoriambe eto Antananarivo
05-juin-2023

Hanatanteraka fivoriambe eny amin’ny Espace ORION Ankadindratombo ny FIZALAOTRA (Fikambanan’ny Zanak’Ampielezana terak’Alaotra)

Card image cap
TENY GASY Repoblika Malagasy : Filoha ambony fahantrana
05-juin-2023

Mahantra ny olona. Andro alahady, nandalo ny tetezan'Ampasika. Tsy misy "andro fitsaharana" tokoa raha ny hanina anio, fitady androtr'io.

Card image cap
Fampivelarana ny mahaolona sy toetsaina
05-juin-2023

Tanora miisa 40 nisitraka fifampizarana tao Mahabo

Voir plus