tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Filohan’ny ANTM « Mila fandaminana ny resaka fitsaboana nentim-paharazana »

Hatramin’ny fotoana nanombohan’ny Covid 19 teto ny taona 2020 no nankaty dia be dia be ny antso mikasika ny fiforonana mpitsabo etsy sy eroa, hoy ny filohan’ny fikambanam-pirenena momba ny fitsaboana nentim-paharazana

16-févr-2023

Sample post image

eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Nanomboka tamin’izany anefa izahay, hoy izy, no nanao antso hoe hanimba zavatra anie izy ity e! Alaina daholo ity ravinkazo rehetra any an’ala ity. Ny sakamalaho niakatra ho 20.000 Ariary ny kilao. Ny voasary makirana sy ny tariny koa toy izany. Apetrapetraka amoron-dalana sy ny karazany koa ilay izy tamin’izay fa tsy tamina fenitra maha fitsaboana azy akory. Nanao antso izahay tamin’ireny saingy tsy mpanatanteraka moa. Tsy zandary izahay na polisy na fitsarana ka dia mitaraina amin’ireny sisa no azo atao. Voalohany itarainanay ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manoloana ireny tsy mandeha amin’ny laoniny rehetra ireny. Farany teo izao nanaitra anay tany Ambatoboeny misy manana takelaby misy soratra hoe “docteur”. Mitanisa anefa izy eo ambany fa tsy mandeha amin’izay laoniny ny voatanisa eo. Mitonona ho dokotera izy nefa rehefa jerena ny ataony toa asanay mpitsabo nentim-paharazana? Fara faharatsiny izy tokony ao amin’ilay sokajin’ny atao hoe “médecine complémentaire et parallèle”. Amin’ny andininy faha 2 amin’ny didim-panjakana 16-0122 ny 23 febroary 2016 dia ny ANTM no tomponandraikitra mampiroborobo, mampivoatra ny fitsaboana nentim-paharazana ary miara-miasa amin’ny fanjakana. Feno ny lalana hanenjehana ireo mpisoloky manomboka any amin’ny fehezan-dalana mikasika ny fasalamam-bahoaka izany. Ny didim-panjakana 2007-807 ny 21 aogositra 2007 dia isan’izany. Misy ny atao hoe fandraisana andraikitra ara-pampandehanan-draharaha na “administrative” ataon’ny minisiteran’ny fahasalamana. Misy ny fitondrana azy any amin’ny fitsarana. Tsy hitako izay asan’ireo ambaratonga ireo hatramin’izao satria ny azony atao izany dia ny manaiky ny fisian’ireny. Ianao mitondra fitarainana manoloana ilay tsy ara-dalana indray no itsimbadihan’ny toe-draharaha ary efa nahazo ahy izany. Izaho indray no notoriana avy eo dia lasa very an-javony ilay fitoriana. Niainana izany ny 2021. 99 andro nefa no an’ny mpanao ratsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana «Ny haizina mbola hazava»
07-juin-2023

Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana. Aza kivy isika fa ny haizina mbola hazava, hoy izy.

Card image cap
TENY GASY Fanapariahana atao ahoana, mba ho Fampandrosoam-paritra tokoa
07-juin-2023

Ho resaka hifandroritana ato ho ato indray ny fananganana Faritra vaovao. Ny tena resaka, tsy dia hoe fampanatonana akaiky kokoa ny renivohi-paritra,

Card image cap
Fampihavanana ao Ambato Hikarakara hetsika ara-kolontsaina ny Hasin’ny Zazamanga
07-juin-2023

Noho ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena dia hikarakara hetsika maimaim-poana seho hira gasy

Card image cap
Maitre Feno «Izaho sy ianao mifampihaino no mampandroso firenena»
07-juin-2023

Samia manadio ny tandrify azy, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana sady mpandala ny nentin-drazana, Randimbiarimanana Feno Manankasina na Maitre Feno, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena.

Card image cap
Maitre Gims ao Mahamasina Hanomezana sehatra ireo mpanakanto Malagasy koa
07-juin-2023

Bella», «J’me tire», « Changer », « Zombie », «Avant qu'elle parte» no santionany amin’ireo hira nahafantaran’ny maro ilay mpanakanto iraisampirenena manana ny lazany,

Voir plus