airtel

kolontsaina

14-févr-2025

Fisiana toerana mampisaraka mpifankatia

Maro ireo tsy mino

Sample post image

Ny farihin’i Tritriva izay vakoka malazan’iny faritr’i Vakinankaratra iny noho ny lovan-tsofina mikasika

14-févr-2025

ny fifankatiavan’i Ravolahanta sy Rabeniomby, ny ao amin’ny zaridainan’Andohalo ao, iny manamorona ny farihin’Anosy iny, ilay zaridaina malaza iray ho tena fampiarahan’ny mpifankatia ao Mahajanga ao, toerana maro manerana an’i Madagasikara no nalaza ary mbola malaza hatramin’izao fa tsy mety ho an’ny mpifankatia na tsy azo ampiarahana fa mampisaraka. Mitombina tokoa ve sa finoanoam-poana? Tsaho sa honohono? Isan’ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety eto anivon’ny vondrona Onet Group ireo mpifankatia sendra azy ireo tao anatin’izao fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia izao. Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina hoe maro ireo tsy mino izay fisiana toerana mampisaraka mpifankatia eto Madagasikara izay. Isan’ny antony voalaza ny hoe tsy misy fifankatiavana mafy orina rava noho ny resaka toerana izany. Tao koa ireo namaly hoe «Rehefa tsy anjara dia tsy maintsy miafara amin’ny fisarahana foana io na aiza na aiza toerana!». Ao koa anefa ireo milaza fa lojika raha betsaka tamin’ireo mpifankatia voalaza ho nampiaraka tamin’ireo toerana voalaza no nisaraka satria izay no maha toerana natokana ho an’ireo mpifankatia ny mpifankatia. Rehefa tsy fiarahana no hita eny dia fisarahana na koa hoe rehefa tsy fiarahana maharitra sy mitohy dia miafara amin’ny fisarahana, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra. Na izany na tsy izany anefa dia mirary fety sy tontolo andro mahafinaritra ho an’ireo mpifankatia rehetra amin’ity anio ity!
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo tetsy Andavamamba ny MTCM na

Card image cap
14-mars-2025

Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe Rija Rasolondraibe

Card image cap