May ny alin’ny 26 aprily hifoha omaly 27 ny Rovan’Ambohidratrimo Marovatana. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no tsikaritra ny firehetana, nahazoan’ny afo ny Lapa misy fasana fito miandalana. Baraingo ny antony, na fahamaizana tsotra na niniana natao. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Gascar Fenosoa sy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga Clémence Raharinirina, nambara fa misy azo tenenina sy mbola tsiambaratelo. « Nahitana tavoahangy misy pétrole manodidina ny lapa, ahiana ho niniana natao. Olona maromaro no anaovana fanadihadiana, hisy fanenjehana raha voamarina », hoy ny Minisitry ny kolontsaina. Hivory ny komity manokana handinika fanarenana, handraisan’ny solontena maro anjara. Harenina haingana ny fanarenana, hiara-hisalahy ny Minisitera sy ny Faritra Analamanga. Teny ifampieran’ny rehetra ny endriky ny fanarenana mifandraika amin’ny tantara sy fomba. Natao ny fampihavanana sy fampihombonana noho ny disadisa teo amin’ny fikambanana sy taranaka. Nangataka omby mainty iray sy omby volavita iray ireo taranaka hoentina manatanteraka ny famerenan-kasina izay efa voafaritra mialoha, ka efa nankatoavin’ny Minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Faritra Analamanga. « Tamin’ny taom-baovao Malagasy no efa nanome tantsoroka ho an’ny teny Ambohidratrimo. Tafiditra amin’ny fitahirizana vakoka manerana Analamanga izany. Manome tan-tsoroka amin’ny famerenan-kasina, tafiditra ny fanomezana omby », hoy ny Lehiben’ny Faritra Rtoa Clémence Raharinirina. Nanamafy ireo taranaka fa nanomboka ny 4 novambra 2025 nisy dingana famerenan-kasina araka ny toromariky ny masina, hanesorana hazo « pin » araka ny baikon’ny razambe. Voafaritra nialohan’izao tranga izao ity fombafomba hatao ny zoma 1 mey hisy ity, ka « tsy mihemotra na nodoran’ny sasany aza ny fito miandalana », hoy ireo taranaka. Voalaza fa efa nisy olana teo aloha, efa may ny 2015, izay nifandirana ny fanajariana ary tsy araka ny tokony ho izy : firafitra, fombafomba, fitaovana,... Mangataka famerenana amin’ny laoniny ny taranaka, zavatra voajanahary toy ny boaderozy no angatahan’izy ireo, saingy mbola andrasana ny setriny. Nanambara kosa ny Minisitry ny kolontsaina fa tsy maintsy hisy mpitandro filaminana hiambina maharitra ny vakoka manerana Madagasikara, hiara-miasa amin’ny tafika, zandary, polisy, efa nankatoavin’ny Filoham-panjakana.
Toky R