airtel

kolontsaina

06-août-2026

STAR TOUR MAHAJANGA 2026

Hanome hamamiana ny

Sample post image

fialan-tsasatra lehibe

06-août-2026

Taorian’ny fiverenany tany Mahajanga ny taona 2025 lasa teo, dia manasa indray ireo mponina sy ireo mpiala sasatra ny Star Tour amin’ity andiany faharoa ity, izay karakarain'ny orinasa Star. Hotanterahina ny 15 sy 16 aogositra 2026 izao eny amin’ny Bord Mahajanga izany, miaraka amin’ny kaominina ambonivohitr'i Mahajanga. Mandritra ny roa andro dia hiaraka hifaly indray anaty fialamboly, mozika ary seho isan-karazany mifanaraka tsara ny fianakaviana. Toy ny mahazatra dia mpanentana, DJ ary mpanakanto maro no hatolotry Star, mba hanafana ny lanonana mandritra ny faran’ny herinandro. Isan'andro dia hisy ny animation podium miaraka amin’i Fou Hehy, Teg, Barhone, Dy Three-T, Dj Lopping, Dj Jim ary Dj Natoo. Ry Arnahh sy LJO kosa no hanafana ny lanonana ny datin'ny 15 Aogositra arahin'ny tarika Ambondrona sy Ckycky ny datin'ny 16 Aogositra. Tsiahivina fa fotoana hiarahan’ny fianakaviana manontolo ny Star Tour, fotoana izay natao hiarahan’ny fianakavina rehetra. Hisy ny kermesy sy ny fialamboly maro samihafa ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe, hahafahan’ny rehetra mifampizara sy mifaly eny amoron-dranomasina. Tahaka ireo hetsiky ny Star rehetra, dia hiantohana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra sy ny ekipan’ny mpamonjy voina ary ny mpitandro ny filaminana ny fiarovana ny besinimaro. Hanohy ny ezaka hataony amin’ny fanadiovana sy fiarovana ny tontolo iainana ihany koa ny STAR. Hisy hatrany ny fanentanana momban’ny Kopakelatra mandritra sy aorian’ny hetsika, mba hampirisihana ny fanariana ireo tavoahangy plastika efa nampiasaina amin’ny toerana natokana ho an’izany. Hapetraka eny an-toerana ireo vata fanangonana, mba hahafahan’ny tsirairay mandray anjara amin’izany hetsika izany.
Pati
Légende : Nihaona tamin'ny mpanao gazety ny teo anivon'ny orinasa Star omaly ! 

Dans la même rubrique

05-août-2026

Tapakila eletronika no hiasa mandritra

Card image cap