airtel

kolontsaina

06-août-2026

Tabataba eto Antananarivo

Maha lasa saina ihany ny fonomezana alalana

Sample post image

Maha lasa saina ihany tato

06-août-2026

ho ato ny alalana omena ireo tabataba eto Antananarivo, hoy ny fitarainana samihafa eny anivon’ny fokontany samihafa eny. Sesilany teo ny fitarainana amin’ny fidobok’ireo mozika be tsy zakan’ny olona mitady torimaso amin’ny alina noho ny fisiana zazalahy atao didimpoitra. Mampitaraina ireo manodidina koa, raha ny fitarainana voaray, ny fisiana kermesy tsy mijanona maraina mandra-paharivan’ny andro amina tany somary malalaka eny Anjanahary, boriboritany faha 5, eny. Araka ny fanazavàn’ny zokiolona iray dia nanamorona fiangonana io kermesy io teo aloha ary rehefa nitarainan’ireo tomponandraikitra teny dia nifindra teo amin’io tany malalaka io indray. Tsy andro fety toy ny 25 na 26 jona nefa, fara-faha ratsiny eto no resaka fa dia an-davan’andro be toy izao iarahantsika miaina ankehitriny izao. Miandry ny fandraisan’andraikitry ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra moa ireo mponina mitaraina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-août-2026

fialan-tsasatra lehibe

Card image cap
05-août-2026

Tapakila eletronika no hiasa mandritra

Card image cap