airtel

kolontsaina

02-mai-2024

Fisolokiana amin’ny fitsaboana nentim-paharazana

«Aoka ilay fehezan-dalàna famaizana mba hampifanitsiana amin’ny lalàna!»

Sample post image

Miantso ny Dokotera sy rasazy isany izahay, hoy ny sendikan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na SEMPINEMAD

02-mai-2024

hoe aza atao tanjona intsony re ny hanafoana renin-jaza fa ny hanomezana fanofanana hampitombo traikefa no tokony atao. Misy lalàna maneritery, hoy ny filohan’izy ireo, Josephin Andriandrainarivo, milaza hoe tsy mahazo mampiteraka ianareo fa mahafaty olona ireny. Tsy misy toerana tsy misy faty olona eto ambonin’ny tany, hoy izy. Ny fametrahana amin’ny toerany no tokony atao. Isany koa ny resaka fanentanana ara-pahasalamana. Hitanareo, ohatra, ny tenako mandray anjara amin’ny fanentanana momba ny vakisiny. Fantatray tsinona fa tsy mahay vakisiny izahay. Nanentana momba izany izahay dia gaga ny farany teo fa olon-kafa tsy misy idirany amin’ny sehatry ny fahasalamana indray no nisarangotra ireto mpitsabo nentim-paharazana ireto any ambadimbadika any dia rehefa avy eo nokepohiny tany ny vola dia nampalahelo ireo mpitsabo nentim-paharazana sasany namanay azon-drizareo tany aoriana tany. Aza mba atao izany ilay mpitsabo nentim-paharazana fa rehefa misy ny hetsika eto amin’ny firenena ilàna ny mpitsabo nentim-paharazana dia aleo ity sendika ity sy ny ANTM no ivantanana amin-javatra toy izany. Antso iray mbola ataonay amin’ny mpitondra fanjakana ny mikasika ny fanadiovana ity sehatra ity. Anavahana ny vary sy tsiparifary dia efa misy ny rafitra atao hoe CCC any amin’ny kaominina. Misy ny DCRT izay tokony apetraka. Ny rafitra no misy fa ilay CCC isaky ny kaominina mbola tsy tafapetraka tompoko. Tsy miankina aminay irery fa ilàna fitondram-panjakana izany. Ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, indrindra indrindra. Ny DCRT koa manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara dia tokony apetraka hanao fanisana tena madio miaraka amin’ny tomponandraikitra isan-karazany hanivana ny mpitsabo nentim-paharazana isan-tsokajiny avy. Aoka ilay fehezan-dalàna famaizana na «code pénal» andininy miisa 2 mba hampifanitsiana amin’ny lalàna misy ankehitriny fa tsy hoe rehefa misy mitory ny mpitsabo nentim-paharazana dia hafahana noho ny fisalasalana fa gadraina fa nampiasa ody gasy! Eto izahay sendika mba tokony hakàna ny hevitray. Rehefa meloka dia meloka fa tsy miaro ny tsy meloka akory izahay saingy matetika hiaran’ny antsojay ilay mpitsabo nentim-paharazana ka hanaovanay antsoavo amin’ny fitondram-panjakana izay rehetra izay. Aoka ianareo tomponandraikitra mba hahafantatra ny andraikitrareo fa aza ailikilika ny mpitsabo nentim-paharazana, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap