ny fetin'ny fahaleovantena ireo asa famoronona malagasy ka isan'izany ny akanjo vita malagasy. Tsy dia mbola mandeha loatra anefa ny Tsena ho an'ireo mpivarotra akanjo vita malagasy eny amin'ny Pavillon Analakely amin'izao ankatoky ny fetim-pirenena izao hoy ireo mpivarotra sasany. Lamba Landy, sy Lin no ampiasaina amin'ny fandrafetana akanjo. Manodidina ny 150 000 ariary ny ensemble, 85 000 ariary ambony fotsiny, 150 000 ariary ihany koa ny robe. Saika ireo Olona hanao famadihana sy mikarakara fanambadiana no tena mpanjifa.Miankina amin'ny kalitaon'ny lamba ampiasaiana ihany koa anefa ny vidin'ny akanjo vita malagasy. Saika ireo lamba vita amin'ny soga no betsaka manjifa noho izy mora kokoa. Ny lamba Landy no lafo indrindra ka tsy olona rehetra no mitafy azy.
3 KA HATRAMIN’NY 5
Amin'izao ankatoky ny fankalazana fetin'ny fahaleovantena izao, dia ireo mpiasam-panjakana no betsaka manjifa ny lamba vita malagasy noho ny fanentanan’ny filohan'ny fanavaozana fa tokony hanao fitafy malagasy ny rehetra mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena.Manodidina ny 3 ka hatramin’ny 5 isan'andro ny lamba lafo ankehitriny ho ana mpivarotra iray.Miezaka manatsara ny kalitao hatrany ireo mpikirakira ny akanjo vita malagasy, na eo amin'ny famoronana na ny kalitao mba tsy ho ambakan'ny avy any ivelany. Tsy voatery ratsy foana rahateo ny vita malagasy fa mila atao sy tohanana ampitiviana.
Loreen Garcia