airtel

kolontsaina

26-oct-2026

Fombafofoma

sy vakoka ara-kolontsaina

Sample post image

Miantso ny hamerenana ny

26-oct-2026

Teza » tao Kiangara ny Betsileo
Manamafy ny fangatahana nalaina tany Kiangara tany ho any amin’ny taona 1958 nentina napetraka amin’ny Mozea eto Antananarivo ireo ny fiarahamonina sy ny vahoaka, izay maneho fa manana hasiny ho azy ireo, ary ho an’ny Betsileo manontolo izy ireo zivany. Hazo tsy lanim-bitsika, tsy lanin’ny masoandro, tsy lanin’ny hafo. Hazo misy kaody amin’ny fanandroana, fanaovana saotra na vavaka ho an’ny Betsileo, mitovitovy amin’ny vatolahy, mety ho hita eo akaikin’ny vatolahy na fasana, mipetraka eo akaikin’ny aloalo. Foko maromaro no voakasika. 2 no nalaina dia ny tao Tomboarivo sy ny tao Kiangara ny taona 1958 tany ho any. Nambara tamin’izany fa ilain’ny Fanjakana, ary haverina amin’ny fotoana maha mety azy. Nenjehina sy nosokajiana ho fanopoan-tsapy ny «Teza » tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Tandindon’ny Firenena satria nisy Fanjakana tany Atsimo nobataina taty Antananarivo. Kiangara dia tafiditra anatin’ireo Lapa 8 sy Fihasinana 12 ao amin’ny Kaominina Sahatona, distrikan’Ambohimahasoa, ivon-toeran’ny fizarana Fanjakana tany aloha. Manana ny hasiny, tsy azo hatsangana rehefa lavo, tsy sahin’ny olona atao kitay na efa lavo aza,… Araka ny tantara, nisy varatra nipoaka, tsy indray mandeha, nisy tsy fahasalamana nahazo ireo mponina noho ny fakana ilay Teza. Na nisy aza ny fahasitranana, dia tsy tena sitrana, nokoroso fahana ny fiarahamonina, hoy hatrany Rahajason Jean Richard. Naverina ilay tao Tomboarivo, namonoana omby, fa ilay tao Kiangara mbola tsy naverina. Teza maneho ny maha betsileo izy io niainga tamin’ireo razambe sy ny fanahiny, ka ny Betsileo rehetra sy ny foko ziva rehetra no voakasika amin’io. Nambarany fa tokony ho dika mitovy no natao tao amin’ny mozea, misy lanjany ara-tsoatoavina sy maha Malagasy. « Misy dikany matoa mikoroso fahana tahaka izao ny Firenentsika, misy ifandraisany amin’izany, ary matoa ny fiarahamonintsika miady sy mifandrafy dia misy holatra navelan’izany, ka izany no mahatonga anay mijoro hoe andao fafana ilay ratra satria lasa tahaka ny tsy matoky olona aty Antananarivo ny olona any noho ny zavatra toy izany », hoy ireo Mpilaza Iraka tamin’ny alalan’Atoa Rahajasoa Jean Richard Rehefa diso ny kolontsaina dia mivaona ny Firenenena, hoy hatrany ny fanazavana. Taty aoriana, 5 taona lasa dia mbola nisy nangalatra Teza tao Camp Robin, tao Ambohibe, amin’iny RN7 iny. Misy ihany koa any ivelany, toa ny any Angleterre, Allemagne,… izay Teza Malagasy mihitsy no nisy nibata. Miteraka ratra ho an’ny Firenena raha tsy haverina io, ary ao anatin’izao fanavaozana izao dia anisan’ny fanavaozana ny kolontsaina izany, ka tokony haverina, raha ny nambaran’izy ireo mpilaza iraka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-oct-2026

Nahazo tombony ny mpianatra sy mpikaroka...

Card image cap