Nasongadin'ny mpianatra avy amin'ny distrika miisa 4 dia ny avy ao Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, avy any Analanjirofo ny zava-kanto sy kolontsaina mampiseho ny maha izy ity faritra ity, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. "Handêha Añalanjirôfo", andiany voalohany, no lohateny nampitondraina ny hetsika, teo ambany fiahian'ny minisitry fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, izay minisitra mpiahy ny faritra Analanjirofo. Tetsy amin'ny Centre Universitaire Jésuites Ambohidempona, ny 24 oktobra 2026, no nifamotoana ny mpianatra sy raiamandreny zanak'i Toamasina sy mponin'Antananarivo liana nanatrika ny hetsika. Naseho an-tsehatra ny karazana dihy basêsa, oatsaoatsa, totodia fanao amin'ny ôsiky sy ny teatira mitondra ny lohateny hoe "I Jao", nosoratan'i Elisé Romuald, nolalaovin'ny tanora mpikambana ao amin'ny AENA na "Associations des étudiants natifs de la région d'Analanjirofo". Voafintina tao ny fombafomba sy fiainan'ny foko betsimisaraka ao Analanjorofo, toa ny fanaterana rompatsa amina olona nahazo zazavao, zengy viavy, asaham-balilahy, sintaka na fangahoam-biavy, ôsiky arahin-jijy, tôkatôka, sy ny maro hafa. "Tsara ny ilofosana amin'ny fianarana mba hahazoana fahaizana enti-miatrika ny ho avy sy mampahomby ny fandraisana andraikitra. Ilaina koa anefa ny tsy fanadinoana ny fototra niaviana," hoy Ramindo Gaëtan, minisitra mpiahy ny hetsika. Nahazo tombony tamin'ny fanatrehana ity hetsika ity koa ny mpianatra, mpikaroka momba ny haiolona sy lahabolam-paritra. Maniry ny hisian'ny andiany manaraka ny mpanatrika, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin'i J. Mirija