fivoahana izay ilana fitandremana ihany koa anefa. Ho an’iny faritra Morondava iny ohatra ho an’ireo izay hisafidy izany dia misy ilay karazana laka kely tsy tia vahiny ka mety hamoizana ny aina mihitsy raha mania mandika ilay fombafomba. Toraka izany ihany koa ny any amin’iny distrikan’i Manakara iny….Nambaran’ny pastera Heritiana Randriarimalala fa ny fifanajana no tena zava-dehibe amin’ireny zava-misy any amin’ny faritra ireny. Tsy rehefa Kristianina akory ianao raha araka ny fanazavany dia handeha hanitsakitsaka ny fomban-tanin’olona sy tsy hanaraka izay lazain’ny olona. Manan-jo iaina amin’izay tiany rahateo ny olona hoy izy. Andriamanitra aza hoy izy nanome safidy malalaka ny olona ny amin’izay tiany ka tsy azontsika Kristianina hatao mihitsy ny manimbazimba doanin’olona ohatra….Tsy midoika anefa izany hoy pastera Heritiana fa manaraka azy isika fa ho fametrahana ilay fifanajana kosa. Hafatra hampitaina ho an’ireo olona mandeha mivoaka ny trano isan’andro moa na hiasa izany na ho any amin’ny faritra dia ny fametrahana hatrany ny lalana eo am-pelatanan’Andriamanitra mba hisy fiarovana.
Pati
Legende : Tsara ny mifanaja, hoy ny Pastera Heritiana Randriarimalala
Voalohany, ny hevitra no amaharana fanao fototra. Tsy azon’Ny Mpanolo-tsaina heverina izany hoe fifidianana