airtel

kolontsaina

03-mars-2023

kolontsaina

Gabriel Rabehasina na i "Gabhy" Mpanakanto nihira hira betsaka

Sample post image

Voasokajy ao anatin'ny mpanakanto nihira hira betsaka indrindra teto Madagasikara i Gabriel Rabehasina na i "Gabhy".

03-mars-2023

Miisa 526 ny hira nokaloiny nanomboka ny taona 1950, hoy ny fampahafantaran’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly. Mpamoron-kira miisa 36 no niara-niasa taminy tao anatin'izany. Nanoratra boky mirakitra ny tantaram-piainany i Aina Raherilala, mpankafy azy. "Gabhy kintan'ny kanto" no lohatenin'ity boky ity izay natao ho fahatsiarovana ity mpanakanton'ny omaly ity izay hankalaza ny faha-90 taonany amin'ny 4 marsa ho avy izao. Hatokana ho fahatsiarovana sy hanomezana voninahitra an'i Gabhy ity volana ity,hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Hisy ny fampirantiana mikasika azy ao amin'ny trano sary hatramin'ny 27 marsa. Hisy ihany koa ny fandaharana atokana ho azy handeha amin'ny haino aman-jerim-panjakana, araka ny nambaran'ny minisitry serasera sy ny kolontsaina hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap