tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Gérard Ramamimampionona “Mila mafy be isika mamerina ny tena maha malagasy antsika”

Rafi-piarahamonina eny ifotony ny Kianja maitso izay efa novoizinay hatrany amin’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM,

16-nov-2022

Sample post image

hoy ny filoha lefitr’ity rafitra ity teo aloha sady mpitarika ny atao hoe Sakaizan’ny Kianja Maitso, Gérard Ramamimampionona. Ohatra amin’izany, hoy izy, izao ny kaominin’ambanivohitr’Andriambilany izay manana fokontany miisa 8, vohitra 38 fa misy Kianja maitso 49 ao. Afaka mifanatona izany ilay 30 na 32 trano mifanakaiky hoe andao isika hiara-monina marina sy hifampifehy. Mety misy raiamandreny miisa 10 ao ohatra dia mifanao teny ierana ireo hoe andao ianao no tena atao raiamandreny dia io no mitana ny soatoavina. Ankoatry ny raiamandreny dia vehivavy iray misahana ny resaka zon’ny vehivavy sy ny ankizy ary fahadiovan’ny tanana sy ny rehetra. Ny tanora irakiraka miandraikitra ny serasera sy fampifandraisana ny Kianja maitso amin’ny fokontany sy ny rehetra. Asiana tranokely iray mba ivezivezena sy ivoriana raha misy hafatra na teny ifanomezana. Eo no ifanentanana, andraisana fiofanana, ialana voly raha ilaina. Soatoavina, rafitra, toerana no ilaina. Tsy mandrava fokontany io fa mamehy ny fokontany. Midadasika be tsinona ny fokontany any ambanivohitra any. indraindray ianao ora 2 na 3 vao tonga any. Miara-miasa amin’ny fokontany sy kaominina avy eo ny Kianja maitso amin’ny resaka hetra, fanadiovana tanana, fitandroana fandriampahalemana sy ny rehetra. Lasa mahay mifanentana ny olona ary izany no mahatonga ny taha-pahavitrihana mandoa hetra any ho ambony be hoe tonga hatrany amin’ny 90% mahery any mihitsy. Tsy mijanona hatreo amin’ny fokontany tahaka ny tamin’ny andron’ny fokonolon’Itompokolahy Ratsimandrava izany io fa tena midina hatrany amin’ny rafitra mbola ifotony kokoa mihitsy. Asa goavana be ny mametraka izany aty amin’ny tontolo an-drenivohitra nefa hita hoe azo atao ihany satria ireny hoe olona miara-mipetraka ao anaty tanàna iray dia mifanaraka hoe andao isika hanao vavahady iraisana ireny izao dia efa izy, hoy hatrany ny tenany, ary tsy voatery ho atao lalana izany fa iainana andavan’andro hizarana fihavanana. Mila mafy be isika mamerina ny tena maha malagasy antsika, hoy izy.
J. Mirija
Legende: Gérard Ramamimampionona
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus